Other News

VAOVAO TAMBATRA

Tokony hampitomboina in-27,3 ny fidiram-bola eto amintsika vao mahatratra ny fari-piainana iraisam-pirenena voatondro ho 25 isan’olona, isan’andro, i Madagasikara. Misongadina ny tsy fitoviana lalina eo amin’ny firenena. Amin’ny ankapobeny, tokony hampotomboina indimy dia tratra io fetra voalaza io. Mitentina 2 734,8 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny fadintseranana nandritra ny […]

Taom-piotazana letisia: mila miomana mialoha ny mpisehatra

« Afaka mandray anareo ireo biraom-panjakana mpikirakira ny antotan-taratasy ilaina amin’ny fanondranana letisia », hoy ny talem-paritra misahana ny fotodrafitrasa sy fampiroboroboana ny eny ambanivohitra, Laurent Jean Maurice, ny zoma teo, teny amin’ny birao fiasany. Hatao izao mba hisorohana ny fahatarana sy ny filaharam-be eo amin’ny « guichet unique ». Nambarany fa hisokatra aorian’ny […]

Fampiroboroboana ny toekarena: Miara-miasa ny CCIFM sy ny Carrefour des entrepreneurs

Hampiroborobo ny toekarena sy ny fandraharahana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny fiaraha-miasan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCIFM) sy ny Carrefour des entrepreneurs. Hitondra tombontsoa betsaka eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny fiaraha-miasa. Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny toekarem-pirenena sy ny fifanakalozana koa izany satria samy aty amin’ny ranomasimbe Indianina avokoa […]

TARATRY ny KANTO

Hankalazana ny faha-10 taona nananganana ny tarika Dadalaora avy any Manalalondo, hisy ny adin-kiragasy goavana, izay hotontosaina ao amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny alahady 3 novambra izao. Hifampitaha amin’izany ry Rapaolison avy any Mandiavato sy ny tarika dadalaora Manalalondo. Miroso tsikelikely amin’ny asa aman’andraikitra hiantsorohany ny Maison Ony eny Ambatobe. […]