Anisan’ny vavolombelon’ny tranga iray ny sary. Ilaina anefa ny mamantatra ny fototra sy ny fenitra amin’ny fanatontosana azy. Izany indrindra no antom-pisian’ny « Festival du Mois de la Photo », ho fampiroboroboana izany ao anatin’ny fenitra tena izy sy matihanina. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, […]
Other News
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina nanomboka omaly, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampivondronana ireo mpilalao eto an-toerana voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Anisan’izany ry Njiva, Amada, Tony, Dadafara, Lalaina sy Nina ary i Rado. Tsiahivina fa hivoaka tsy ho ela ny lisitry ny ekipa nasionaly malagasy. Nifarana ny alahady 2 novambra […]
Rugby « Women’s Seven Africa » : ambony ny herijika ho an’ny Makis Ladies
Hanainga rahampitso amin’ny 3 ora maraina, etsy Ivato, hihazo an’i Ghana, ny ekipam-pirenena malagasy Makis Ladies. Hiatrika ny fifaninanana afrikanina “Women’s Sevens Tournament (W7T)” izy ireo. Sokajy vehivavy, lalaovin’ olona fito izany. Hotanterahina any an-toerana ny 9 sy 10 novambra ho avy izao. Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, omaly, tetsy […]
« IHF Trophy cadet »: laharana fahadimy ny Akio
Farany vao nisy ventiny. Nahazo fandresena ihany ny Akio de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny « IHF Trophy », taranja handball, sokajy cadet. Omaly, resin-dry zalahy tamin’ny isa 32 no ho 22 i Zambie. Fandresena mametraka azy ireo ho eo amin’ny laharana fahadimy. Fihaonana notanterahina tao Ethiopian Sports Academy. Tombony ho an’ny […]
Kick boxing – « Jungle War » : hisolo tena an’i Madagasikara i Cyborg sy i Joël
Hanainga anio, hihazo an’i Afrika Atsimo, hiatrika ny fifaninanana afrikanina “Jungle War”, taranja kick boxing, ny delegasiona malagasy. Atleta roa no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany. Ny 9 novambra izao, ao amin’ny Emerald Casino, Vanderbijlpark Afrika Atsimo, no hanatanterahina ny fifaninanana “Jungle War”, eo amin’ny haiady kick boxing Full Contact. […]






