Other News

Fanondranana jirofo : miisa 108 ireo nahazo fahazoan-dalana

Mitotaly 108 ireo mpandraharaha nahafeno fepetra sy nahazo fahazoan-dalana (agrément) hanondrana jirofo, ho amin’ny taom-panondranana 2024-2025, araka ny lisitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic). Hita tao anatin’izay fa miisa 38 ireo tafiditra ao anatin’ny sokajy indostria raha toa ka 70 kosa ireo voasokajy ho « artisan ». Manankery […]

Fampiasana angovo azo havaozina : vehivavy 15 nisitraka fampiofanana

Taorian’ny fampiofanana momba ny fandraharahana, nanaraka fiofanana momba ny fikirakirana ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (photovoltaïque) ireo vehivavy 15 isa avy eto amin’ny faritra Anala­manga sy Atsimo Andrefana. Ankehitriny, afaka manangana sy mikojakoja ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy mampiroborobo ny fidiram-bolan’ny orinasa tantaniny izy 15 mirahavavy. […]

Fampiroboroboana ny fampiasam-bola: hiara-hiasa ny EDBM sy ny CEO Summit

Vita sonia ny zoma teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) sy ny Agence BeCom ary ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), ho an’ny fikarakarana ny hetsika voalohan’ny CEO Summit eto Madagasikara. Tanterahina eto Antana­na­rivo, ny 5 sy 6 desambra, ny fihaonana antam­pony CEO Summit. Manodidina […]

Futsal-Mada 2024: nanao pao-droa ny Uscafoot,ekipan’ny CUA

Nifarana ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’ny Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana nasionaly, taranja baolina kitra anaty efi-trano Futsal. Nanjaka tanteraka ny ekipan’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra, na ny Uscafoot. Norombahan’izy ireo ny amboara sy ny lelavola 1 500 000 Ariary teo amin’ny sokajy U15 sy ny 2 tapitrisa Ariary […]

“Alley Hoop 3×3”: nanjakan’ny Ankoay ny fifaninanana

Nangotraka ny fifaninanana basikety 3×3 “Alley Hoop”, andiany faha-6, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana nokarakarain’ny RDJ ary niarahan’izy ireo niasa tamin’ny Fede­rasiona malagasin’ny basikety. Tsy mbola lefy laza ny ekipam-pirenena Ankoay tamin’ity fifaninanana ity satria nanjaka tanteraka izy ireo, teo amin’ny sokajy nifaninanany. Ho an’ny […]