Efa maka bahana sy anatin’ny fikarakarana tanteraka. Tonga eto amintsika ireo delegasionina misahana ny sekretaria eo anivon’ny Sadc, tarihin-dRalarosy Radaody Bodo Tantely. Hanomana ny handraisan’i Madagasikara ny fihaonana antampon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta mpikambana eo anivon’iy vondrona ity izao iraka ataon’izy ireo izao. Anisan’ny nihaona tamin’ireo delegasionina ireo ny tompon’ […]
Other News
Comesa: mandray anjara amin’ny fihaonana antampony faha-23 i Madagasikara
Tanterahina anio, any Bujumbura Burundi, ny fihaonana antampony faha-23 ny filoham-pirenena sy ny lehiben’ny governemanta an’ny firenena mivondrona ao amin’ny Comesa. Firenena miisa 21, mpikambana eo anivon’ny Comesa, no haitrika izany fivoriana izany. Anisan’ny mandray anjara amin’izany I Madagasikara, amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. «Handeha hanafaingana ny vondron-tendrom-paritra […]
Fandraharahana: hampihatra lalàna ny Fitsarana
Vonona hanao ny anjara tandrify azy amin’ny fampiharana ny lalàna ao anatin’ny fangaraharana sy tsy fitanilana ny minisiteran’ny Fitsarana. Fantatra izany tamin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny fikambanan’ireo banky miasa eto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Association professionnelle des banques (APB) ny minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny […]
Taratasin’ny MMM nalefa any amin’ny FMI: “Raiso ny andraikitra hampitsaharana ny kolikoly”
Hentitra sy nahitsy ny taratasin’ny antoko Malagasy miara-miainga nalefa any amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Nambaran’izy ireo fa manana andraikitra goavana koa ireo mpiara-miombon’antoka manoloana ny raharaham-pirenena. Anisan’ireo teboka efatra lehibe nofaritan’ny MMM amin’izany taratasy nalefa any amin’ny FMI izany ny tokony hampifantohana ny fandaniana ny volam-panjakana amin’ny lafiny sosialy. Anisan’ […]
Ravalitera Jacques Michaël : “Ny mpitsikera ihany no mandika lalàna”
“Ny manahirana: ny mpitsikera ihany no mandika lalàna. Rehefa izy na izy ireo ve no mandika lalàna dia mety?”. Io ny nambaran’ny kaomiseram-pifidianana eo anivon’ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, teny Alarobia, omaly, momba ny hoe efa misy manao fampielezan-kevitra sahady amin’izao mialoha ny vanim-potoan’ny tena fampielezan-kevitra, izay amin’ny 19 novambra, […]







