Vita soa aman-tsara ny fandaharanasam-pirenena momba ny fananantany, andiany faharoa. Mitentina 128 831 000 dolara izany, izay natolotra ny tomponandraikitra omaly. Notanterahina omaly, teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Raharahambahiny Anosy, ny atrikasa nasionaly nampahafantarana ny fandaharanasa nasionaly momba ny fananantany, andiany faharoa. Tonga nanatrika izany ireo manam-pahefana sy olo-manan-kaja maro. Nanokatra ny fotoana […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Maherin’ny 100 tapitrisa dolara isan-taona ny fandaniana vokatry ny fahataran’ny tetikasa mpamokatra herinaratra, toa an’i Sahofika izay manome 192 MW, sy Volobe mamokatra 121 MW. Mitombo ny fandaniana noho ny fiankinandoha amin’ny fanafarana solika ka miteraka fatiantoka hatrany amin’ny 355 tapitrisa dolara ho an’ny Jirama izany. Ny taona 2022, nitombo […]
tetibolam-panjakana 2025 : Sehatra telo no ho laharam-pahamehana
Mibahan-toerana ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola ho an’ny taona 2025 (PLFI) ny sehatry ny fambolena, ny angovo azo havaozina ary ny fotodrafitrasa. Tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hamerenana an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina, amin’ny alalan’ny fanovana sy fampiroboroboana ny fambolena. Haparitaka any amin’ny tantsaha ny volivary safiotra […]
Mila ovana
Trangam-piarahamonina nanaitra, omaly, ny nitifiran’ ny zandary mpiana-draharaha ny lehibeny. Tongo-bakivaky, sady maharary ilay izy no mahamenatra. Na inona na inona antony, ilay hasin’ny zandarimariam-pirenena no voahosihosy. Aiza no tsy hisy mpiara-miasa tsy hanana disadisa? Aiza no hisy lehibe tsy hibedy ny ambany fahefany? Tsy tranga maningana io fa […]
Olan’ny delestazy : hampiasaina avokoa ireo milina mpamokatra herinaratra
Tsy tokony hisy delestazy intsony manomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 10 orana alina, hoy ny filoha, nandritra ny fitsidihana nataony teny Ambohimanambola, omaly. Hampiasaina avokoa ireo milina mpamokatra herinaratra hampihenana hatramin’ny 80% ny fahatapahan-jiro. Vahaolana ampiharina avy hatrany no nentin’ny filoham-pirenena hampihenana ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina, […]







