Other News

FANTINA sy FINTINA

Misy hetsika « torolalana » ho an’ny Solom­bavambahoaka mandritra ny roa andro, amin’ny alalan’ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina, izay natomboka omaly, eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ho fanatsarana ny fomba fiasa eny anivon’ity andrimpanjakana ity. Ao anatin’izany ny hampahafantarana ny andraikitry ny depiote, ny fitantanana ny Antenimiera, ny etika, ny fanolorana tolo-dalàna, hatramin’ny […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Gravy ny mahazo antsika ankehitriny”

Hentitra tamin’ny toriteny nataony ny kardinaly Tsara­hazana Désiré nandritra ny fitarihany ny sorona masina, teny amin’ny Ekar Fo masin’ i Jesoa, Tanambao V, ny alahady lasa teo. Nandritra ny fotoam-panokafana ny taom-pikatrohan’ny fikambanana Skotisma anivon’ny finoana katolika sy ny Antilin’ i Mada­gasikara (AIM) ary Fanilon’ i Madagasikara ( FIM) izany. Ireto […]

Tsy ny akanga tsara soratra

  Ohatra ny mivadika hafahafa indray ny tantara eto Madagasikara! Mahoraka tampoka teo ny olana diplaomatika amin’ny Nosy rahavavy. Samy manana ny filazany izay afaka milaza. Samy miteny izay te hiteny. Ny azo hamehezana azy nefa dia tsy azo tsinontsinoavina ny fiandrianam-pirenena na iza io na iza. Samy sarotiny amin’ny […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Fototra itondrana ny tany sy ny fanjakana ny demokrasia”

Manamafy ny lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, fa ny demokrasia ihany no fototra ahamari-pototra ny fanjakana. Nisaotra ny Pr Zafy Albert, rain’ny demokrasia izy noho izany. “Zavatra tsotra ny de­mokrasia: fanomezana ny olona jiaby fa­halalahana miteny. Nefa kosa fanajana ny fanapahan-kevitry ny maro anisa. Izay no mibaiko ny fampandrosoana fototra itondrana […]

RN2 : lozam-piarakodia, olona iray maty

Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), omaly tamin’ny 6 ora maraina. Taksiborosy iray avy aty Antananarivo hihazo an’i Toamasina no nifandona tamina fiara 4×4 iray. Tao amin’ny fokontany Ankatrokatroka Andrika, PK 88+60, no nitrangana ny loza. Vokany, olona iray maty raha iray hafa kosa naratra mafy, […]