Other News

Profesora Irène Rabenoro: vehivavy filohan’ny Akademia Malagasy voalohany

Anisan’ny mampiavaka ny profesora Irène Rabenoro ny maha manam-pahaizana mazoto miasa, tsara tohana ary mitsinjo ny tombontsoam-pirenena sy ny mpiara-belona. Araka ny nambarany, anisan’ny antoky ny fandrosoan’ny firenena ny fanajana ny teny sy ny fampivelarana izany. Voafidy ho filoha hitantana ny Akademia Mala­gasy manomboka amin’ity taona 2024 ity hatramin’ny 2027, […]

Fampandrosoana eny ifotony : nahitana atrikasa 10 ny tetikasa Rindra tany Analanjirofo

Anisan’ny faritra nisitraka atrikasa maro avy amin’ny tetikasa Rindra ny faritra Analanjirofo. Nahazo vahana, nandritra izany, ny fampiofanana ireo andrimpanjakana maro samihafa any an-toerana. Efa nahatratra 10 be izao ny atrikasa tontosan’ny tetikasa Rindra tao amin’ny faritra Analanjirofo, hatramin’ny 12 oktobra 2024 teo. Nahitana distrika telo: Fe­noarivo Atsinanana, Vavate­nina ary Soanierana Ivongo. 19 tamin’ireo […]

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny kandidà, Ravalomanana Tojo, fa ilaina ovaina ny firafitry ny fifampitondrana sosialy eto Antananarivo. Nambarany fa hapetraka izany mba tsy hiangona ny fako sy tsy hiakatra ny rano, tsy hamofona ny tatatra… “Ho velona ara-dalàna ny mponina ao aminy. Hifampitantana hiray hina hitondra fanovana tsy mbola nisy hatrizay isika ka […]

Tokely Justin : “Miantso ny hampanjakana fitoniana”

“Mandalo vanim-potoan’ny fifidianana indray ny firenena ankehitriny. Zava-dehibe ny hisian’ny safidim-bahoaka amin’izay hitondra ny tanànany. Koa manao antso avo hampanjakana ny fitoniana sy filaminana mba hampizotra izany antsakany sy andavany izahay eto amin’ny Anteni­mierampirenena.” Ankoatra ny fitanisana zava-bita, io ny anisan’ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny Tsim­bazaza, omaly […]

Fitsinjaram-pahefana

Nahoraka sy naresaka ny teny Avaradrano, omaly. Nahazo biraon’ny tribonaly sy fonja manara-penitra ny ao an-tanàna. Henin-kaja, henim-boninahitra, ny zanaky ny distrika fa nahavita nanetsika filohan’ny Repoblika. Ambohi-pihaonan’ny mpanao politika, na tsy mitovy firehana, ny teny an-toerana. Nobaikoin’ny fitiavana ny tanàna nipoirana. Manoloana izany, hita taratra ny fanatanterahana ilay fanapariaham-pahefana […]