Other News

Federasion’ny taekwondo : mbola tsy nahazo «Code» iraisam-pirenena

Manana fikasana ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja taekwondo, sokajin-dalao “poomsae” na fihetsika mirindra, izay hatao any Hong Kong, ny 23 hatramin’ny 27 novambra ho avy izao, i Madagasikara. Hatramin’izao anefa ny Federasiona malaga­sin’ny taranja taekwondo WT (FMTKD) tsy mbola nahazo ilay «Code» iraisam-pirenena, araka ny […]

“Alley Hoop 2024” : hampiala voly ny tanora amin’ny basikety

Raikitra indray ny andiany faha-6 amin’ny fifaninanana basikety 3×3 “Alley Hoop”. Fifaninanana hatao ny 2 sy 3 novambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hampiala voly ny tanora amin’ny alalan’ny basikety ny tanjona amin’ity “Alley Hoop 2024” ity, araka ny nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana, nandritra ny fampahafantarana […]

TARATRY ny KANTO

“Ny tranon’ny velona”. Io indray ny lohahevitry ny fampirantiana manaraka, hatao ao amin’ny Mozean’ny saripika, eny Anjohy. Mbola eo am-panomana, fa ny 9 novambra vao hisokatra ho an’ny besinimaro izany. Fampirantiana hanehoana ireo taotrano malagasy isan-karazany, maneho ireo kanto sy fahaiza-manao samihafa ao anatin’izay trano fonenana izay izy ity. Halefa […]

Foaran’ny fialamboly : hampivondronana ny karazana kilalao

Hotanterahina etsy amin’ny CCI Ivato, ny 2 sy 3 novambra izao, ny “Foaran’ny fialamboly”, andiany voalohany. Hetsika karakarakain’ny Ma­gic Land. “Natao hampiroboroboana ny sehatry ny fialamboly eto Madagasikara sy hampivondronana ireo olona misehatra amin’ny tontolon’ny fialamboly anaty tambajotra sosialy isan-karazany ny tsenabe”, hoy Rafehivola Fina­ritra, tomponandraikitry ny hetsika, nandritra ny […]

Trano Sary Ambohidahy : mitohy ny fampirantiana ny tantara

15 oktobra 1896. Datin’ny nitifirana ny jeneraly Rainandriamampandry sy ny Printsy Ratsimamanga teny Antaninarenina io. Tsiahivina isan-taona ity fotoana ity, satria anisan’ny nanamarika ny tantaran’i Madagasikara. Nisy ny fampirantiana izay natao teny amin’ny Rovan’Antananarivo, omaly. Hitohy manomboka anio, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy izany, ka haharitra elaela kokoa mba hahafahan’ny […]