Efa eo am-pelatanana sy efa arahi-mason’ny zandarimariam-pirenena mpanao famotorana ireo olona nahiana sy voarohirohy tamin’ny halatra sokatra, Pyxisarachnoides sy Artrochelysradiata, miisa 10, tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza, ny alin’ny talata teo. Olona roa fara fahakeliny no fantatra fa efa voasambotra mahakasika izany. Niditra avy hatrany tamin’ny fikarohana sy fitondrana alika mpitsongo-dia […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Tanterahina anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny La Colline- Maison sociales des arts Ambatovinaky, ny hetsika « Philosophie de l’art contemporaine ». Velakevitra iarahana amin’ny Dr Razafimandimby Ghislain Antonio, izy ity. Ao anatin’izany no hiresahana ny maha izy ny zavakanto ankehitriny, indrindra manoloana ny fanatontoloana. Eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka […]
Sinema malagasy ; Feno ny «Disco Afrika: une histoire malgache »
Tontosa omaly, teny amin’ ny Cinepax Ambodivona, ny tafa sy velakevitra fampahafantarana ny horonantsarimihetsika « Disco Afrika: une histoire malgache ». Niatrika izany ny mpanatontosa sy mpamokatra ity horonantsary ity, notronin’ireo mpahay horonantsary sy mpanao gazety. Tanjona ao anatin’izany ny fampahafantarana ity « Disco Afrika: une histoire malgache” ity indrindra amin’izao fahatongavany eto Madagasikara […]
Faha-95 taonan’ny Tropy Jeannette: hira teatraly ranoiray no haseho an-tsehatra
“…Io ny tarik’Andriatinarivo”. Ampahan’ny tonon’ilay hira nampahafantarana ny Tropy Jeannette io. Io no nosafidiana hanamarihina ny faha-95 taonan’ity tropy teatraly zokiny indrindra eto Madagasikara ity. Fampisehoana hira teatraly ranofotsiny mantsy no hanamarihina izany, rahampitso alahady 27 oktobra, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba. Hira izay notsongaina […]
“Festi-Sôva” andiany faha-7 : homena sehatra ireo kalaza amin’ny vakisaova
Hetsika ara-kolontsaina miharo fanabeazana ny “Festi-Sôva”. Hiara-dalana ny zavakanto sy ny fanentanana isan-karazany amin’ity andiany faha-7 ity. Hivelatra kokoa noho ny teo aloha ny hetsika. Hazo Midoroboka avy eny Ampamarinana, Gasy Misôva Behoririka, Tara-pahazavana Andraisoro, Fanja Anjanahary Misôva, Black Collection Andranomanalina, Fitarikandro Tsiadana, Kintan’ny Alina Antohomadinika, sns. Tarika mivoy ny […]







