Fahatapahan-jiro matetika amina tambajotra iray, miampy tsy fisian’ ny rano amin’ny toerana sasany ny mahalaza ny “délestage”. Ahitana izany ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Miha mahery vaika izany tato ho ato, miteraka fahasorenana sy olana isan-karazany, toy ny fatiantoka, fahasimban-javatra. Nanomboka tamin’ny fe-potoana fiasana voalohany ny fanjaka tarihin’ ny […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Nahazo taratasy fampitsaharana amin’ny asany ireo sefo fokontany miisa 5 any Toliary. Efa niseho koa ny fanesorana mpitantana eny ifotony tahaka izao tany an-toerana nialoha ny fifidianana depiote tao Toliary ary izao niverina izao indray. Tsiahivina fa taratasy avy any amin’ny prefet izany. Iharan’ny tsindry amin’ireo kandidà mpomba ny fitondrana […]
Prefet Antananarivo: “Tsy maintsy atao ny fanendrena lefitra PDS roa”
“Tsy maintsy itadiavana vahaolana hisolo azy izay nametra-pialana. Tsy maintsy manao ny fanendrena ny lefitry ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS), Antananarivo Renivohitra, ny fanjakana”. Io ny fanazavan’ny prefet, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fametraham-pialan’ny PDS teo aloha, Ramanantsoa Harilala, noho ny firotsahan-kofidiny ho ben’ny Tanàna […]
Mila manova fomba fisaina
Hita iny ny vahaolana avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Nasehony hatrany amin’ny fizaran-drano ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Miezaka ny miatrika ny hamehana arakaraka ny hodidina izy. Ny rano manakaiky vahoaka, fa tsy ny vahoaka intsony no handahatra bidon mavo. Mibaribary ny finiavany hitondra vahaolana, tsy hiandrasana ny hafa. Manoloana izany, mba […]
Ady amin’ny kolikoly sy ny mpanera : nohamoraina ny fandraisana olona eny amin’ny fitsarana
Nitondrana fanavaozana sy fanatsarana fomba fiasa ny nametrahana kioska, handraisana ny torohay ho an’ireo manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana. Iarahana amin’ny fandaharanasa Rindra izany. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, omaly, tetsy Anosy fa manana zo handeha ho eny amin’ny fitsarana ny rehetra. Matetika anefa matahotra ny olona na koa […]






