Other News

injenera vaovao 97: hitondra ny anjara birikiny

Miampy 97 indray ireo injenera navoaka’ny Sekoly am­bony momba ny hay famokarana sy ny Zava-boary (ESSA) eny anivon’ny Oniversiten’An­tananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ireo andiany « Andrarangy, Mahasedra ». Vondrona manam-pahaizana sy hitondra ny an­jara birikiny amin’ny fampandrosoana ny famokarana. Matoky, araka izany, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny […]

Ankazobe : may ny manodidina ny alan’Ambohitantely

Niredareda ny afo, omaly, manodidina ny tahirin’ala Ambo­hitantely, distrika Ankazobe. Tonga hatrany amin’ny sisin’arabe ny afo ka sarotra ny fifamezivezena, araka ny loharanom-baovao any an-toerana. Maty tanteraka kosa ny afo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Foibem-pirenena fanofanana teknisian’ny ala (CNFTF) Angavokely. Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoan’ny haintany isika izao, fotoana mampirongatra […]

Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana : nanome 67 tapitrisa dolara an’i Madagasikara

Mitentina 67 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola nomen’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) an’i Madagasikara ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampiroboroboana ny toekarena. Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Bad, ny zoma teo, ny fanomezana tohana ara-bola hatrany amin’ny 67 […]

Volley-Mada D1: nafana ny fifandonan’ny ASSM sy ny MVBC

Lalao 8 avy hatrany no nanokafana ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy “1ère division”, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana tontosaina eny amin’ny kianjan’Itaosy. Fifandonana anisan’ny tena niady sy nampitsanga-mitoetra ny mpijery ny lalao teo amin’ny MVBC sy ny ASSM, sokajy lehilahy. Tany amin’ny Tie Break, […]

Kitra – D2 Nationale: nomontsanin’ny FC Theo, 3 no ho 0, ny FCA Ilakaka

Notanterahina omaly, teny amin’ireo kianja roa, Ambo­hidratrimo sy Elgeco Plus Stadium By-pass, ny andro fahatelon’ny “Poule des AS” amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa, taranja baolina kitra. Ratsy ny vokatra ho an’ny FCA Ilakaka. Lavon’ny FC Theo Sava, 3 no ho 0, izy ireo, omaly, teny Ambohidra­trimo. Raha […]