Mipoapoaka ny vokatra azon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ireo mpaka olona an-keriny. Mihazakazaka ny hazalambo. Angaredona tsy misy ohatra izany, tao anatin’ny andro vitsy. Olona ampolony no nampiakarina taty an-drenivohitra, hanaovana fanadihadiana eny amin’ny sampam-pikarohana misahana ny heloka bevava. Mahavelombolo, mamelona fanantenana ho an’ny mpanara-baovao rehetra, indrindra ny aty […]
Other News
Ady amin’ny kolikoly: nisy ny fanaovan-tsonia teo amin’ny MFFT sy ny TI-MG
Hiara-miasa ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) Transparency International Madagascar (TI-IM). Hiara-miady amin’ny kolikoly izy ireo. Tontosa omaly, teny amin’ny foibe toeran’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny lanonana nanaovana sonia ny fifanarahana teo amin’ny MFFT sy ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM). Nanao […]
Soarano: tsena efatra indray kilan’ny afo
Tsena efatra no kilan’ny afo teny amin’ny tranobe Ramaroson Soarano, omaly maraina. Any amin’ny rihana ambanin’ny tany no misy ity fivarotana nirehitra ity. Mivarotra momba ny kojakoja fampiasa amin’ny birao, araka ny tatitra nampitain’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny komandà Ralaivao Eric. Nambarany fa fikasohan’ny herinaratra no nitarika ny firehetana. […]
Hita tao anaty caméra de surveillance : mpiambina nangalatra vola tanaty coffre
Saron’ny polisy tao amin’ ny fokontany Bazarikely Antsiranana, ny alahady maraina teo, rehefa nokarohina hatramin’ny sabotsy 7 septambra 2024, ny lehilahy iray nangalatra vola. Vola mitentina 65 tapitrisa Ar no nalainy tao amin’ ny orinasa niasany tamin’io fotoana io. Niafina tao amin’ny efitrano iray ao amin’ny orinasa ity tovolahy mpiambina […]
Taksiborosy nivadika : mpandeha 17 naratra
Vaky kodiarana aoriana tampoka, mpandeha miisa 17 tao anatin’ny taksiborosy niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ny PK 180+900, ny sabotsy 7 septambra teo. Mampitohy an’Ambatoboeny sy Antananarivo io taksiborosy io. Vaky tampoka ny kodiarana aoriana avy ao amin’ny ilany havanan’ny fiara, tamin’ny 4 ora maraina. Tsy voafehin’ny mpamily intsony […]







