Tanterahina manomboka anio, hatramin’ny 19 oktobra 2024, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM Analakely), ny fampirantiana «Fusion, Visions et Perspéctives», an’i Misa Ratrimoharinivo, Malagasy mpahay kanto misehatra eo amin’ny fanaovana rary sy haikanto momba ny lamba. Ankoatra ireo sanganasany, anisan’ny haseho mandritra izany koa ireo teknika sy fahaiza-manaon’ity mpahay […]
Other News
« Photomania » : hetsika goavana ho an’ny saripika
Efa fanao ny “Iray volan’ny saripika” isaky ny roa taona. Hanatevina ny hetsika ho an’ity sehatra ity kosa ny “Photomania”, hetsika iray hiompana amin’ny tontolon’ny saripika eto Madagasikara. Ho sehatra goavana ho an’ny tontolon’ny saripika ny Urban Futsal, Galaxy Andraharo. Hotontosaina ao amin’ity toerana ity ny hetsika “Photomania”, ny 27 […]
Vehivavy mitondra vohoka : mahatonga fahafahan-jaza ny fisotroana alikaola
Mbola tsy fantatry ny maro ny aretina vokatry ny fisotroan’ny vehivavy bevohoka toaka. Maro ny aretina aterak’izany. Eo ny fahataran’ny fitomboan’ny zaza teraka, ny fahamombana ary ny fahasembanana. Nomarihina omaly ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny fisotroan-toaka ho an’ny vehivavy bevohoka sy mandritra ny fampinonoana na ny “Syndrome d’alcoolisation fœtale” (Saf). […]
FANTINA sy FINTINA
Nitsidika ny fitsarana ambaratonga voalohany, Anosy, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny faran’ny herinandro teo. Nampahery ireo mpitsara mpiandry raharaha mikarakara ny fandraisana fangatahana “casier judiciaire” sy “certificat de nationalité”, izay manampy amin’ny fanamarinana ny maha olom-pirenena sy ny toetra manokana amin’ny fifidianana izy tamin’izany. Mampiteny ny moana […]
Minisitry ny Atitany : “Zava-dehibe ny fidinana ifotony”
Zava-dehibe ny fidinana ifotony, izay tokony hataon’ireo tomponandraiki-panjakana mba hijerena ny filan’ny vahoaka sy hamahana ny olana hatrehin’izy ireo eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina ary ny distrika. Anisan’ny nisongadina sy nohamafisina tamin’ny fihaonan’ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa, tamin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny tamin’ny fidinana ifotony tany amin’ny prefektoran’i Tomasina sy […]







