Other News

Fifanakalozana ara-barotra : hapetraka ny paidaky hidirana ao anatin’ny Zlecaf

« An-dalana ny famolavolana ny paikady hidiran’i Madagasikara amin’ny fahombiazana kokoa, amin’ny tsena malalaka anatin’ny kaontinanta afrikanina », hoy ny Sek­retera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Rasamoely Vahinisoa, ny zoma teo, nandritra ny atrikasa natao teny Akorondrano. Nanazava ireo dingana natao hamolavolana ny paikadim-pirenena momba ny faritra malalaka […]

Jirama Mahajanga: nitondrana vahaolana amin’ny jiro sy rano

Anisan’ny iharan’ny fahatapahan-jiro sy ny tsy fahampian-drano ny tanànan’i Mahajanga. Nahatonga ny fidinan’ny tale jeneraly (DG) ny Jirama, Ron Weiss, tany an-toerana, ny volana aogositra teo izany. Ho fanatanterahana ny tetikasa hanatsarana ny famatsiana herinaratra sy rano any an-toerana. Tontosa ny ampahany amin’izany, ny fampiakarana ny tanjaky ny herinaratra 5KV […]

Fampiroboroboana ny toekarena manga: hiara-hiasa i Madagasikara sy ny OPJEB

Hitondra tombontsoa betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga sy hipaka mivantana amin’ny tanora ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Vondron’ny tanora Panafricaine ho an’ny toekarena manga (OPJEB) . Vita sonia ny zoma teo, nandritra ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny toekarena manga (JNEB) andiany faharoa, tany Toamasina, ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny […]

Rugby-« XXL Top 12 »: tsy nahovoka teo anatrehan’ ny FTM ny TFMA

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahadimy, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Niondrika teo anatrehan’ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 56 no ho 25, ny TFMA An­kasina. Anisan’ny lalao tena nandrasan’ny maro ity fifanandrinan’ny roa tonta ity, saingy efa nampoizin’ireo mpanaraka […]

Karate-Afrika: Afa-panadinana ireo Malagasy mpitsara 3 vavy

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny delegasiona malagasy, miatrika ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika U21, any Tunisie, ny fiatrehan’ireo Malagasy mpitsara, ny fanadinana amin’ny maha mpitsara azy ireo. 3 mirahavavy izy ireo no niatrika izany, izay samy afaka daholo. Anisan’izany, ny Sensei Raboanarijaona Voahirana, tepana mainty, 4e Dan, no sady filoha […]