Fifanakalozana ara-barotra : hapetraka ny paidaky hidirana ao anatin’ny Zlecaf

« An-dalana ny famolavolana ny paikady hidiran’i Madagasikara amin’ny fahombiazana kokoa, amin’ny tsena malalaka anatin’ny kaontinanta afrikanina », hoy ny Sek­retera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Rasamoely Vahinisoa, ny zoma teo, nandritra ny atrikasa natao teny Akorondrano. Nanazava ireo dingana natao hamolavolana ny paikadim-pirenena momba ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikana (Zlecaf) sy ireo fakan-kevitra maro notanterahina ireo tomponandraikitry ny minisitera. Hatambatra ny hery ho fanohanana ireo sehatra tsy miankina hampiroboroboana ny famokarana sy ireo mpandray anjara avy eto Madagasikara mba hampitomboana ny vola miditra eto amin’ny firenena. Tanjona ny hampitovy ny vina sy hampidirana ireo paikadim-pirenena ho an’ny departemantam-panjakana voakasika.
Hitondra vokatsoa eo amin’ny fifanakalozana ara-barotr’i Madagasikara ny fidirana ao anatin’ny Zlecaf. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fanondranana entana, ny varo-draharaha. Tombontsoa goavana eto Afrika ny fahalalahan’ny fampiasam-bola.
Tsiahivina fa hampiroborobo ny fandraharahana sy ny toekaren’ny firenena ny fidirantsika ao anatin’ny Zlecaf.

Henintsoa H.

Partager sur: