Tsy voalohany ny olobe Masikoro any Toliara II, ny Vezo, ny Antandroy, ny Tagnalana Toko Bey Telo sy ny mpiara-dia aminy, naneho ny fanohanany ny tetikasa Base Toliara. Toraka izany koa ny mponina any an-toerana, mitaky ny hanokafana indray ity orinasa ity. Matoa izy ireo, nisy fotoana nanginana, tsy milavo […]
Other News
“WorldSkills 2024” : mpanao asa tanana 15 handray anjara
Nisolontena an’i Madagasikara mandritra ny hetsika “WorldSkills 2024” any Lyon-Frantsa, ny 10-15 septambra, ireo mpanao asa tanana malagasy 15. Hampisondina ny fahaiza-manaony sy ny fanaovana haingon-trano amin’ny alalan’ny asa tanana samihafa mandritra io fotoana io ny solontenan’ny firenena. Fifaninana natao ho an’ireo matihanina maneran-tany, ahafahana mampisongadina ny fahaiza-manaony amin’ny alalan’ny […]
Fifanakalozana ara-barotra : « Mila havaozina ny lalàna mifehy ny Fadintseranana », hoy ny SIM
Mangataka ny hanavaozana ny fitsipika mifehy ny lalàn’ny fanondranana sy fanafarana entana eny anivon’ny Fadintseranana malagasy (DGD) ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Tokony havaozina sy hifanaraka amin’ny filan’ny orinasa ny lalàna mifehy ny fanondranana sy fanafarana entana, hoy ny mpikambana avy amin’ny Sendikan’ny indostria eto […]
TARATRY ny KANTO
Nodimandry i Main Main. Anisan’ireo mpanakanto mpamoron-kira, mpitendry ary mpandrindra hira nanosika tarika maro izy. Saika nisy dian-tanan’i Main Main avokoa ireo hira malazan’ireo tarika avy any avaratra tamin’ny fotoan’androny. Ilay hirany “Tsy mahangoma” sy “Soava dia” no tena nahafantarana azy. Izay rahateo no nahatonga ny anarany ho Main Main […]
Tontolon’ny paikafo: nodimandry Andriamanantena Solofo Andry
Alarobia 4 septambra, nodimandry teo amin’ny faha-72 taonany, Andriamanantena Solofo Andry, fantatra amin’ny solonanarana «A.S. Andry», amin’ny maha mpanakanto azy. Ny tontolon’ny paikafo ( sary amin’ny takelaka hazo nosokirina tamin’ny «vy» mahamay) no tena nahafantarana ity zanak’i Rado mpanoratra (Georges Andriamanantena) ity. Asa tanana nampamirapiratra ny talentany, satria, hainy ny […]






