Other News

Foire Internationale de l’Agriculture (FIA): hasongadina manokana ny vokatry ny tanora

Hanasongadinana ny fanamby ho amin’ny fampivoarana ny famokarana sy ny toekarena ny Tsenabe iraisam-pire­nena ho an’ny Famokarana (FIA) andiany fahenina. Hojerena manokana ny fandraharahan’ireo tanora sy ny vokatra entiny. Laharam-pahamehana mandritra ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ ny Famokarana (FIA), andiany fahenina, eny amin’ny Parcs des Expos Forello Tanjom­bato, ny tanora […]

TARATRY ny KANTO

Mahery – Rija – Luk, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, ny fiarahana amin’izy telo mirahalahy samy tompon’ny feo ireto. Raha misy ny andrasan’ireo mpamonjy “cabaret” ao amin’ity toerana ity, anisan’ny voalohany ity fiarahana ity. Mitety hira sy vanim-potoana maro izy ireo, ankoatra […]

« Angaredona Mozika Festival »: hatao ho fanomezam-boninahitra an’i Fanaiky

« Rehefa nifampiresaka tamin’ny vady aman-janany sy nahazo tsodrano tamin’ny fianakaviana, nanapa-kevitra ny Talenta Production sy ny ekipa rehetra fa hatao ho hetsika fanomezam-boninahitra sy fankasitrahana an’i Fanaiky ny « Angaredona Mozika Fes­tival » andiany faha-18 amin’ity », hoy ny fanambarana na­taon-dRajery. Anisan’ny tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ity hetsika goavana ho an’ny mozika miaina […]

Hakanto Contemporary: seho ara-javakanto amin’ny endriny vaovao no ho hita eny an-toerana

Ny 14 septambra 2024 hatramin’ny 16 marsa 2025 no ahitana ny fampirantiana ireo zavakanto mandravaka ny “Saison inaugurale Histoire de famille”. Fiaraha-miasa avy amina mpahay kanto maro samihafa no hahatanteraka izao hetsika izao. Tontosa omaly, teny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny tafa ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny […]

Mila fanarenana: anarana sisa ny maha Malagasy

Efa zary ranomasina ilomanosan’ny tanora ankehitriny ny tsy fahalalana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Kianja filalaovan’izy ireo ny fanindraindrana ny an’ny hafa. Tonga akanjo fitafin’izy ireny ka tsy maintsy isalorana isan’andro ny fisandohana ny kolontsaina vahiny. Ireo vahiny ireo indray no manao tsiombialoha mikaroka momba ny famadihana, famorana, […]