Tanterahina ny 14 septambra 2024, eny amin’ny Cercle Germano- Malagasy (CGM) Analakely, ny atrikasa sy fifaninanana “Slam poésie”. Hetsika karakarain’ny Madagaslam Section Tanà (MST), miaraka amin’ny avy eo anivon’ny CGM, izay miantsehitra amin’ny fampiroboroboana ny zavakanto tsy ankanavaka. Misokatra ho an’ny mpiangaly Slam rehetra ny hetsika, indrindra ireo vao misandratra […]
Other News
Mba tsy hanara-davahana: Ilaina ny mamorona « Androm-pirenena »
Be loatra ny fankalazana « Andro iraisam-pirenena » ataon’ny firenena marefo. Ny ankamaroany, famendrofendroana. Tsy mahavoasazy ny mamorona ny « Androm-pirenena ». Io rahateo no filan’ny firenena tahaka an’i Madagasikara… Noho izany, tokony hatao ! Saika rakotra « Andro iraisam-pirenena » ny fanisanandro! Izay tsy misy, hamoronana. Ny efa eo, hatevenina ny fomba fankalazana azy. Toy izany […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina any Antsirabe, ny 27 hatramin’ny 29 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, lalaovin’olona telo, lahy sy vavy. Araka ny vaovao voaray, hiatrika ny fifanintsanan’ny Nosy izay klioba mahazo ny laharana voalohany amin’izany. Hifanandrina amin’ny ekipan’Atsinanana Rugby, ny alahady ho avy izao, etsy […]
Volley-ball-“Open 2è division”: hiditra amin’ny manasa-dalana ny lehilahy
Hotanterahina, anio, ny manasa-dalana, sokajy lehilahy, amin’ny fifaninanana “open 2è division Analamanga”, taranja volley-ball. Fifaninanana karakarain’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball, nanoloana ilay fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, saika ho natao tany Alaotra Mangoro. Hifandona, eo amin’ny sokajy lehilahy, ny VBCD sy ny CSA, ankilany. Ny ASI sy ny AVBC kosa, andaniny, ho […]
« Fety de Baskety e! » : hatao anio ny antsapaka
Hotontosaina, anio, ny antsapaka ho an’ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, hankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B Andraisoro. Fifaninanana hatao manomboka ny alahady 15 septambra izao, amin’ny kianja telo, ao amin’ny boriborintany faha-5. Hatramin’ny omaly, mbola nisy ireo ekipa tonga nisoratra anarana hifaninana amin’ity lalao ity, anisan’izany ny GNBC (U12L, U12V, […]






