Other News

VAOVAO TAMBATRA

Manakaiky ny ampahefatry (1/4) ny asa ny fanamboarana ny lalana fivoahana haingana (voie rapide) mampitohy ny RN2 sy ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Tokony ho vita amin’ny volana mey 2026 ity asa ity, mirefy 9,6 km, tanterahin’ny orinasa Sinohydro. Ho ampiasain’ny fanjakana ny ambim-bolan’ny Fidirambolan’ny fanjakana madiodio (Rpi) tsy lany tamin’ny […]

Tetikasa PTaso : hampandroso ny indostrialy

Hampihena ny fanafarana vokatra ara-pambolena voahodina sy hanatsara ny fiarovana ara-pahasalamana ary hanatsara ny fahaiza-manao eo amin’ny mpamboly mpandraharaha ny tanjon’ny tetikasa PTaso. Hampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andre­fana ihany koa. Ankehitriny, mametraka ny vala indostrialy natokana ho an’ny fambolena (PAI) sy ny […]

Angovo azo havaozina : hizara traikefa ireo matihanina

Vahaolana iatrehana ny fahatapahan-jiro ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina. Hitondra ny anjara biriky, hizara maimaimpoana ny fahaiza-manaony ireo teknisiana, anio. Hotanterahina eny amin’ ny LTP Alarobia, raham­pitso, ny varavarana misokatra hampahafantarana ny fampiofanana ho teknisianina matihanina amin’ny fampiasana fitaovam-pamoka­rana herinaratra avy amin’ny masoandro. Hizara ny traikefany, eny an-toerana, ireo […]

TARATRY ny KANTO

Hisy valandresaka momba ny tantaran’ny « estival Hosotra », karakarain’ny Fondation H ny 7 septambra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’izany koa ny tetikasa hoentin’i José Nirina, mpanakanto mpanao hoso­doko, iray amin’ireo namolavola ny « Hosotra » hatrany am-boalohany. Rabeari­velo Dina (hairaha arak’endrika amam-bika), ary i Christian Andriambelo (mpanavao ny asa tanana kanto eto […]

Festival Temps Fort Danse : nizara ny fahaiza-manaony i Kezia Jonah

Tontosa omaly, teny amin’ ny Institut français de Mada­gascar (IFM) Analakely, ny atrikasa sy fifampizarana, natokana ho an’ireo matiha­nina eo amin’ny dihy, niara­hana tamin’i Kezia Jonah, Malagasy matihanina eo amin’ ny tontolon’ny dihy. Tonga maro nihanoka izany ireo Malagasy matihanina, nandray ny trai­kefa sy nifampizara fahaiza-manao tamin’i Kezia Jonah. Tafiditra […]