Fantatra hatramin’ ny fahagola, fa zava-maniry ahazahoam-bokatra sy angovo biolojika maro ny jatropha. Anisan’ izany, ny solika miaro ny tontolo iainana. Ahitana azy io maniry betsaka indrindra ny any amin’ ny faritra maina sy mafana manerana an’izao tontolo izao. Maro ny anarana fiantso ity zavamaniry iray ity, raha any Afrika […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Manampy an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny lalana i Japana. Anisan’ny fotodrafitrasa lehibe namboariny tamin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa japoney (Jica), ny tetezan’i Mangoro sy Antsapazana any amin’ny lalam-pirenena faharoa RN2. Manohana koa ny Jica amin’ny fandrafetana paikady hikojakojana ny lalana mba haharitra. Miara-mientana amin’ny sehatra tsy miankina ny fitantanana foibe ny hetra […]
Andekaleka : tanjaka 60 MW amin’ny 125 MW sisa no azo
Tsy mitsaha-midina ny haavon’ny rano any amin’ny tohodranon’Andekaleka, mamokatra herinaratra ho an’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Mitatitra ny Jirama, fa zara raha mahazo 29 na 30 m3 isaky ny segondra ny tosiky ny rano avy any amin’ny tohodrano, raha tokony ho 48 m3/segondra. Milina roa amin’ireo efatra misy any an-toerana sisa […]
Politika mila ovaina
Hanao ahoana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina? Toa mifampiandriandry be ihany ny rehetra. Tsy firy no efa nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiny. Eo koa ny fitarainan’ny manam-pikasana hirotsa-kofidina sasany etsy sy eroa: sarotra ny fahazoana ny taratasy toy ny fanamarinana ny fizakana zom-pirenena, ny taratasy fitanisan-keloka, ny fanamarinana ny […]
Toekarena manga : fanoitra ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara
Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara sy aty Afrika ny toekarena manga. Manana harena an-dranomasina azo trandrahana sy hametrahana ireo vinam-pampandrosoana samihafa ny Nosy malagasy. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy aty Afrika ny toekarena manga noho izy misandrahaka amina sehatra maro. Nisongadina manokana nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena […]






