Tafapetraka, omaly, ny rantsa-mangaikan’ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly eny anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato. Mba hahafahana mandray ny fitarainana momba ny kolikoly ny ivontoerana Natao handraisana ny fitarainana mahakasika ny kolikoly sy ny tsy fanarahan-dalàna miseho eny an-toerana ity rantsan’ny Bianco ity. Hanentanana ny mpiasa sy ny mpandeha rehetra mba […]
Other News
SOMBIM-BAOVAO
Ny 5 septambra ho avy izao, hanafika an’i Tunisie ny ekipam-pirenena, Barean’i Madagasikara, hifanintsana hiady ny tapakila hiatrehina ny « Can 2025 ». Nilaza ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, fa ny 2 septambra ho avy izao no tokony ho efa any an-toerana ireo Malagasy mpilalao. Manoloana ny resaka […]
Tenisy – “African circuit U14” : nanao pao-droa Andriamaniraka Soa Ainatia
Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Club du Car, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “African circuit”, taranja tenisy ho an’ny sokajy U14, zazalahy sy zazavavy. Nisongadina ny Malagasy mpilalao, Andriamaniraka Soa Ainatia, izay nanao pao-droa. Voahosotra ho tompondaka ny tovovavy teo amin’ny olon-tokana, rehefa nandresy an’i Lara […]
Lalao Paralympika : hanomboka anio ny fifaninanana
Tapa-bolana taorian’ny fahavitan’ny lalao Olympika ho an’ny atleta salama ara-batana, hiditra an-tsehatra indray, manomboka anio, ireo manana fahasembanana. Hampiantrano izany hatrany i Frantsa. Haharitra hatramin’ny 8 septambra ny fihaonana, izany hoe, hifaninana mandritra ny 11 andro ireo atleta miisa 4 400 manerana ny vazantany efatra. Miisa 23 ireo taranja hiadiana […]
Ping Pong – Afrika 2024: mbola baraingo ny fandraisan’ i Madagasikara anjara
Tsy mbola misy resaka na fanapahan-kevitra noraisina ny fiatrehan’i Madagasikara anjara amin’ny fifaninanana afrikanina amin’ny volana oktobra ho avy io, any Ethiopie. Ny 29 aogositra izao no hanomboka ny fifaninanana nasionaly. Hotanterahina any Addis Abeba, ny 18 hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy […]






