Other News

LITERATIORA: Hitafa amin’ny mpankafy azy i Johary Ravaloson

Hisy tafa sy dinika iarahana amin’i Johary Ravaloson, ny 28 septambra 2024, eny amin’ny Intsitut Français de Madagas­car (IFM) Analakely. Filazala­za­ny sy fampahafantarany ny mo­m­ba azy, indrindra amin’ny ma­ha mpanoratra boky matihanina azy no handravaka ny fandaharam-potoana amin’io. Tanjona ny hampiroborobo ny zavakanto, indrindra ny asa soratra malagasy. Izany indrindra […]

MSK: Voatendry ho minisitra i Mara Volamiranty Donna

Nahazo minisitra vaovao ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Fantatra nandritra ny fanendrena notontosaina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, fa voatendry hitantana io departemanta io ny minisitra Mara Volamiranty Donna. Raha ho an’ny kolontsaina manokana, maro ny asa miandry ny minisitra vaovao. Anisan’izany ny fanatsarana ny tontolon’ny kolontsaina sy ny […]

Kolontsaina sy kolosaina: miaina anaty kisarisary ny Malagasy

Manana ny anjara toerana lehibe eo amin’ny fampivoarana ny maha olona ny kolontsaina sy ny kolosaina. Raha ireo no atao antsirambina, maro ny zavatra miova. Mety ho very hatramin’ny fototra mihitsy aza… Raha ny famaritan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny tantara sy ny fomba amam-panao : «ny fananana tanindrazana, tenindrazana, tantara sy fomba amam-panao» […]

FANTINA sy FINTINA

“Ampanaovina iraka tsy ho vitany akory ireo mpikamban’ny governemanta ireo”, hoy ny depiote, filohan’ny mpanohitra, Randrianasoloniaiko Siteny. No­hitsiny fa tsy manam-bola ampiasaina izao fanjakana izao. “Mitovy amin’ny olona omena fiara miala any To­liary ho aty Antananarivo nefa solika tapany no omena ireo minisitra”, hoy ihany izy. Tsy misy dikany akory […]

Miisa 11 ireo minisitra tsy voatendry intsony

Miisa 11 kosa ireo minisitra nisaorana na koa nesorina amin’ny toerany. Eo ny minisitry ny Fitsarana, Ramanan­tenasoa Landy Mbolatiana, ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, lasa filohan’ny Anteni­mierampirenena. Tsy voatendry intsony koa ny minisitry ny Indostria sy ny varotra, Razafin­­dravahy Edgard, lasa filohan’ny COI, sy ny minisitry ny Fampianarana […]