Nahatratra 150 tapitrisa Ariary ny fatiantoka noho ny fahamaizan’ny tsena sasany ao amin’ny Pochard, afakomaly. Niainga tao amin’ny Box 5 ny afo. Niitatra haingana be izany ka nahazo ireo tsena manodidina azy. Ramatoa iray sahabo ho 40 taona namoy ny ainy teny an-dalana nitondrana azy ho any amin’ny hopitaly Manara-penitra […]
Other News
Nisoloky vola an-tapitrisa : Fito mianadahy naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo olona fito voasaringotra tamin’ny asa fisolokiana tao Manjakaray, ny talata 7 avrily teo. Naharay fitarainana momba ny fisiana tambajotra misoloky entan’olona, toy ny voamaina sy vary amin-taonina ny polisim-pirenena. Avo lenta tanteraka ny fomba hangalan’ireo mpisoloky ny entana […]
Mpivady niara-nisotro toaka
Niara-nisotro zava-pisotro misy alikaola ny mpivady vao tany amin’ny fokontany Dépôt, kaominina Toamasina. Nisotro toaka izy ireo nandritra ny fankalazana ny Paka sy ny Alatsinain’ny Paka lasa teo. Vokany, namoy ny ainy noho ny tsy fahazakana sy ny fahabetsahan’ny tahan’ny alikaola tao anatiny ilay ramatoa 40 taona. Torana tsy mahatsiaro […]
Fitiavana diso toerana : Vehivavy matin’ny toaka, lehilahy iray maty voadaka
Namoy ny ainy noho ny fisotroana toaka diso tafahoatra niaraka tamin’ny vadiny ny renim-pianakaviana iray, omaly. Maty voadakan’ny vehivavy iray, saika hitoriany fitiavana kosa ny lehilahy iray afakomaly. Trangam-piarahamonina niseho tao Toamasina ireo. Namoy ny ainy rehefa nodakan’ny vehivavy iray teo amin’ny faritra saropady ambanin’ny kibony, ny lehilahy iray tao […]






