Other News

SOMBIM-BAOVAO

Nihaona tao amin’ny masoivohon’i Mada­gasikara tao Paris-France, omaly, Andriantsima Fane­va Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha sy ny minisitry ny Fanatanjahantena malagasy, Rasam­bany Alain. Nifa­nakalozana hevitra ny amin’ny fomba hanatsarana ny kianjaben’i Mahamasina, hahazoana fankatoavana ka handraisana ireo lalao hataon’ny barea ny volana septambra, oktobra ary novambra 2026. Hitohy ny faran’ity […]

Handball – Mada Jeunes : Misongadina ny HC Est

Nitohy omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja handball, sokajy zandriny, lahy sy vavy. Misongadina eo amin’ny vokatra azony ny ekipan’ny HC Est Atsimo Andrefana, sokajy junior, lehilahy. Fandresena telo misesy no azon’izy ireo ao amin’ny vondrona «B». Nandresy ny HTHB, tamin’ny isa 27 no […]

Judo-Mada 2026: Voatazon’ny Esca ny voalohany

Folo taona mahery izay, tsy mbola nisy naharombaka teo am-pelatanan’ny klioban’ny Esca ny anaram-boninahitra laharana voalohany. Azon’izy ireo indray izany nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara, natao teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, ny herinandro lasa teo. Vao tamin’ny andro voalohany dia efa nisongadina ny mpikatroka avy amin’ny Esca. Nana­marika ny […]

TARATRY ny KANTO

Omena sehatra ny rehetra. Tranga tsy fahita firy eo amin’ny tontolon’ny fiantsana tononkalo ny fanomezana sehatra hisokatra ho an’ny rehetra. « Rakotr’ainga, rakitr’ ainga », na ilay antsa malalaka hotanterahina anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano Dox, tranombokim-pirenena Anosy. Entanin’ny Faribolana San­dratra manokana ireo tanora te […]

Sanganasan’i Naka R. : Hokaloin’ny Feon’Analamanga

Ny sabotsy 11 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola, « hihira, hikalo, hivetso, hiritsoka, hiangaly amintsika ireo hira noforonin’i Naka Rabemanantsoa amin’ny endriny maha taranaka ny tarika ny Feon’Anala­manga », hoy i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Bagasy. Nanteriny […]