Other News

Fiba 3×3 Hengkin Challenger 2026: Nanainga, omaly, ny solontena malagasy

Hotanterahina ny 11 sy 12 avrily izao, any Chine, ny fifaninanana “Fiba 3×3 Hengqin Challenger 2026”. Omaly no nanainga teto an-tanindrazana ny delegasionina malagasy izay hiaro ny voninahi-pirenena. Fifaninanana anisany goavana ity hatao ity, hahafahana mandahatra ireo mpilalao mendrika eo amin’ny basikety lalaovin’olona telo. Tsiahivina fa firenena efa anisan’ny manana […]

Baolina kitra – “Yas amboaran’i Madagasikara”: Miisa 78 ireo ekipa hiady ho lohany

Nitombo miohatra ny tamin’ireo andiany hatramin’izay ny ekipa hiatrika ny fiadiana ny “Yas amboaran’i Madagasikara”, taranja baolina kitra. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasionina afrikanina izay voalohany amin’ity. Hanomboka ny 18 avrily ho avy izao ny fiadiana ny “Yas amboaran’i Madagasikara”, taranja baolina kitra. Nampahafantarina tetsy amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 183 tapitrisa dolara ny vola mety ho azon’i Madagasikara ao anatin’ny Facilité élargie de crédit (FEC) sy ny Fonds pour la résilience et la durabilité (FRD) an’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Vita omaly ny iraka momba ny fanombanana fahatelo sy fahefatra ireo fandaharanasa vita. Mbola misy ny tetikasa mila jerena […]

Fampandrosoana ny toekarena: Mifameno i Madagasikara sy Maraoka

Firenena matanjaka, ma­nana maodely ara-toekarena azon’i Madagasikara hiara-miasa i Maraoka. Antony na­hatonga ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA) niantso azy mandritra ny « Salon de la créativité Voatra, andiany faha-12. « Manana tombony sy traikefa ary fahaiza-manao avo lenta i Maraoka, mifameno amin’i Madagasikara », hoy ny filohan’ny CCIA, Razafin­tsalama […]

Ceo Summit 2026 : Hotanterahina manomboka anio

Tanterahina androany sy rahampitso, etsy amin’ny Novotel Ivandry, ny Ceo Summit, andiany faharoa. Hetsika ara-toekarena goavana aty amin’ny ranomasimbe Indianina izy ity. Hivondrona amina toerana iray ireo mpisehatra ara-toekarena maro avy amin’ireo firenena manodidina sy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tanjona ny hampifandray ny vina, hampiroboroboana ny toekarena. Hisongadina mandritra ny […]