Notanterahina teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, nanomboka omaly, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, lehilahy sy vehivavy, taranja handball. Mana-danja tokoa ity fifaninanana ity, amin’io no hanaovana ny fifantenana mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Akio, lehilahy sy vehivavy. Anisan’izany ihany koa ny hanana ekipa tompondaka isakin’ny sokajy, « minimes, cadets, juniors ». […]
Other News
Baolina kitra : hatao any ivelany avokoa ny lalaon’ ny Disciples sy ny Elgeco Plus
Noho ny tsy fisian’ny kianja nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf), hatao any ivelany avokoa ny lalao mandroso eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboara hatrehin’ny Disciples sy ny Elgeco Plus. Efa ofisialy, araka ny vaovao navoakan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao amin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Johary mihira Kintana Telo. Fotoan-dehibe rahampitso alahady, ho an’ireo mpankafy ny kalon’ny omaly. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ilay fampisehoana ao amin’ny CCEsca Antanimena, iarahana amin-dry Gothlieb, Luk ary Mahery, hamelona indray ireo hira novazoin’ny Kintana Telo. Mbola eo ihany koa i Salomon, hiray sehatra amin’izy ireo. Anisan’ny handray anjara […]
« Festival Sobahya » Katsepy : ho vahiny ry Komo sy Choc Choc avy atsy Mayotte
Hetsika iray maneho ny kolontsaina mivelatra ny «Festival Sobahya». Hiditra amin’ny andiany faha-18 sahady izany amin’ity, hatao any Katsepy, ny 9 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao. Fanomezan-danja ny «Sobahya», ilay lamba mampiavaka ny Sakalava Maroambitsy, monina any amin’ity tapany andrefan’ny Faritra Boeny ity izany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, […]
Faribolana Sandratra : hisy ny fifaninanana miantsa tononkalo
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra. Hisy ny fifaninanana miantsa nampitondraina ny lohateny : «Andeha isika hamorona olona tahaka antsika». Tononkalon’ny Faribolana Sandratra no antsain’ny mpifaninana. Tsy azon’ny mpifaninana hafa atao, ny miantsa ny sanganasan’ny mpanoratra efa nisy nisafidy. Mpanoratra iray, an’ny mpifaninana iray. Mandritra ny dingan’ny fifanintsanana, […]






