Other News

CGM Analakely: niavaka ny fampisehoana ny « Ilay raiko izay tsy ananako »

Kanto sy matihanina tanteraka ny fampisehoana nataon’ny fikambanana Iza. Na tsy anisan’ireo matihanina aza ireo mpilalao, hain’izy ireo tsara ny nambabo ny fon’ireo mpijery. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cercle Germano-Mala­gasy (CGM) Analakely, ny fampisehoana nataon’ny fi­kambanana Ilay Zanaka Adala (Iza). « Ilay raiko izay tsy ananako » io no […]

Literatiora : nampahafantarina ny asa soratr’i Dayaz

Amad Tombovelo Zayad, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Dayaz. Mpanoratra, manan-talenta amin’ny filalaovana ny teny izy, ka nanokanan’ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina any Antsiranana fotoana ma­nokana, nandritra ity volana ity. Nampahafantariny ny 13, 17 ary 18 jolay lasa teo ny sanganasany, tany an-toerana. Ny tononkalo, tantara foronina ary ny […]

Hiragasy: nitondra hira vaovao ry Rasoalalao Kavia

Anisan’ireo tropy samy kalaza no nifanandrina, omaly. Ry Rasoalalao Kavia, izay nanamarika ny faha-35 taonany an-tsehatra sy ny Rapaulson. Samy nitondra hira vaovao izy ireo. Vao maraina dia efa hipoka olona tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Ma­hamasina. Mpankafy tonga nanatrika ny adin-kiragasy goavana tao amin’io toerana io ireo. Niavaka kely tamin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nitafa tamin’ny tomponandraiki-panjakana ao amin’ny faritra Anosy ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Notsindrin’ny PM tamin’izany ny tokony hananan’ny tomponandraiki-panjakana fahatsapan-tena maha tompon’andraikitra, ny ady amin’ny kolikoly, ny fahafehezana ny andraikitra ary ny fahaiza-mitarika. Nisokatra omaly, tany Accra, renivohitr’i Ghana, ny fivoriana ara-potoana faha-45 ho an’ny firenena mpikambana […]

Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Manomboka manova mpiara-miasa ny filoha”

“Inona no andrasana amin’ ny governemanta ary naninona ny Praiminisitra teo aloha ihany no notanana? Ny fahitako azy: efa manomboka ma­metraka fanovana amin’ny olona hiara-miasa aminy ny filohan’ny Repoblika, raha tsy hijery afa-tsy ny zava-misy eo anivon’ny Antenimierampire­nena.” Io ny fijerin’ny depiote voafidy tany Miarinarivo ta­min’ ny anaran’ny Irmar, Rakoton­drasoa […]