Mangingina ny tontolo politika amin’izao? Any ambadika, mandeha hatrany ny karazana kajikajy sy paipaika. Tsy inona fa ny amin’ny fandrafetana izay ho governemanta vaovao eo. Hanao ahoana? Misy tonga amin’ny kitsapatsapa, fifandresen-dahatra, fandefasana resaka na tsilian-tsofina… Na ny mpiray donak’afo aza, mety misy mifanosika an-toerana? Samy te ho… Aoka […]
Other News
Tany ho an’ny Malagasy : karatany 3 072 nozaraina tao Mahavelona Itasy
Ao anatin’ny fanatanterahana ny fanomezana karatany sy titra faobe ho an’ny vahoaka malagasy ny fitondram-panjakana amin’izao, amin’ny alalan’ny tetikasa tohanan’ny Banky iraisam-pirenena no hanatanterahana izany. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny hetsika fizarana karatany sy titra faobe ho an’ny mponina ao amin’ny kaominina Mahavelona, distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy. Ankoatra ireo […]
FANTINA sy FINTINA
Taxi-be iray nifatratra tamin’ny fiara tsy mataho-dalana teny Tsiadana,omaly. Tapaka hisatra io fiara io ka niezaka nifehy ny familiana ny mpamily. Nikasa handona ny fiara tamin’ny andrin-jiro ny nitondra io taxi-be io saingy nifatratra tamin’ilay fiara 4×4. Lavon’ny balan’ny zandarimaria ny jiolahy nikononkonona fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny kaominina Imerimandroso, ny […]
Resin-tory ny mpamily: taksiborosy nivadika, mpampianatra maty
Olona iray maty, telo hafa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia tao amin’ny fokontany Tsoroboy, kaominina ambanivohitr’Amporoforo, Farafangana (RN 12), ny sabotsy teo. Teo amin’ny 31 km mialoha ny hidirana ny tanànan’i Farafangana no nitranga ny loza. Fiarakodia nitondra mpampianatra 31 mianadahy avy ao amin’ny “Lycée Saint Vincent de […]
Ambohimamory Itaosy : trano fivarotana iray kilan’ny afo
Nitrangana haintrano indray teny Ambohimamory Itaosy, ny sabotsy hariva teo. Trano fivarotana iray amoron-dalana no kila hotohoton’ny afo. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana, fa ny afo efa nijoalajoala avy ao ambony rihana no nahataitra ireo manodidina. Niezaka nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo ireo mponina teo an-tanàna […]






