Natolotra ny fampanoavana omaly ka naiditra am-ponja indray i Rasta, jiolahy raindahiny amin’ny halatra fiara. Nisy nangalatra ny alahady 14 jolay lasa teo ny fiara taxi R.11 teny Ambohimangakely ka nifampitadiavana. Nivoaka nandeha nisakafo ny mpamily tamin’io fotoana io. Hatairana anefa ny azy nony avy nisakafo fa tsy teo amin’ny […]
Other News
Talata Volonondry : mpamaky trano efatra naiditra am-ponja
Efa nisazy intelo tany am-ponja ny iray tamin’ireo mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny zandarimaria tao Ambaniatsimo Antampontsena, kaominina Talata Volonondry, ny 14 jolay teo. Mateti-pitranga ny fahavakisana trano ao an-toerana ka nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Niara-nifanome tanana tamin’izy ireo rahateo ny fokonolona izay efa leo ny hala-boty. Sarona, nandritra […]
Fanondranana antsokosoko: Sokatra 5 383 tratra tao anatin’ny fito volana
Miseholany ny tranga fihazana sy fanondranana biby arovana. Sokatra maherin’ny 5 000 no sarona nanomboka ny volana janoary teo. Mitotaly 5 383 ny isan’ny sokatra sarona nanomboka ny volana janoary teo hatramin’ity volana jolay 2024 ity, araka ny antontanisa navoakan’ny Turtle Survival Alliance na TSA Madagasikara, izay fikambanana tsy miankina […]






