Other News

FANTINA sy FINTINA

Nisantatra ny fametrahana samboady ho an’ny depiote ny distrikan’Ifanadiana. Napetraka ny alakamisy teo izany ho an’ny solombavambahoaka, i Manantena Haja Dinah. Nisaotra ny vahoaka koa ny tenany tamin’izany. Nanotrona tany an-toerana ny filoha lefitry ny Ante­ni­mierampirenena ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa sy ny loholona avy any an-toerana. Nohitsin’ny depiote Ratsiraka Roland […]

Ampitifirana Ankatso : fahatsiarovana azy dimy lahy notifirina

Ny lietnà Randriamaro­manana Albert, Rakotondrabe Samuel, Ratsizafy Samuel, i Lezoma ary i Bekamisy. Ireo izy dimy mirahalahy tia tanindrazana notifirin’ny mpanjanatany frantsay teny Ampitifirana Ankatso, ny 19 jolay 1948, noho ny raharaha 29 marsa 1947. 76 taona lasa izay. Nisy ny hetsi-pahatsiarovana tamin’ ny lanonana ara-miaramila sy fametrahana fehezam-boninkazo teny […]

Lanja miakatra

  Anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny fampiroboroboana ny maha olona. Na ny sosialim-bahoaka… Mby aiza? Marolafy ny fahasahiranam-bahoka, toy ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa… Tsy inona fa fahantrana lalina sy maharitra ary saika mahahenika ny sarambabe. Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny fahantrana amin’izany? Eo […]

Loholona Rabetsaroana Sylvain: “Mametraka ho ambony ny fahaiza-manao ny filoha”

Niresaka tamin’ny mpanao gazety momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ny loholona Rabetsaroana Sylvain, omaly. Nambarany tamin’izany fa iray ihany ao anatin’ny fahasamihafana ny Malagasy. “Noporofoin’ny filoham-pirenena fa iray ihany isika ma­noloana ny resabe momba ny fifandanjana isam-paritra”, hoy izy. Nanteriny fa tsy ma­navaka ary tsy mifidy na iza na iza […]

TSELATRA

Niakatra fampanoavana tao Arivonimamo, omaly, ny mpamilin’ilay fiara 4×4 sy Mazda voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ireo telo mianaka nandeha bisikileta. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana raha teny an-dalana ho eny amin’ny hopitaly kosa no namoy ny ainy ny renim-pianakaviana mitondra vohoka sy ny zanany kely iray. Raikitra ny fifanjevoan’ny fokonolona […]