Mandeha ny asa ataon’ny Ivontoerana famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM). Mitiotaly 1 650 ha ny velaran-tany voatondraka fanafody, ny 6 hatramin’ny 11 jolay 2024 teo. Hetsika ana habakabaka nampiasana helikopitera, ny 1 500 ha ary nahatratra 150 ha ny natao an-tanety. Mitohy ny hetsika hampiasana ny angidimby, arakaraka ny […]
Other News
Tetikasa Prosol: miroborobo ny fambolena mikajy ny tontolo iainana
Tapitra ny tetikasa Prosol any Andranofasika sy Ankarafantsika, faritra Boeny, vatsian’ny fiaraha-miasa alemà Giz ara-bola. Nisongadina ny fambolena agroekolojika. Nijery mivantana ny fizotry ny asa sy ny fiantraikany amin’ireo misitraka ny tetikasa Prosol any Mandritsarahely sy Andranofasika, ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Suzelin, ny herinandro […]
TARATRY ny KANTO
Ririnina, vanim-potoana mampiroborobo ny hiragasy. Tsy mipetraka an-tanàna ny mpanao azy ity fa manafana ny lanonan’ny didim-poitra sy ny famadihan-drazana. Somary mafimafy ny fifandresen-dahatra eo amin’ny mpikarakara sy ry zareo amin’izao vanim-potoana izao. « Te hitazona ny fomba ny Malagasy. Tsy afa-manoatra anefa satria tsy mitsaha-mitotongana ny fahefa-mividy… Io tranga io […]
IKM Antsahavola : miavaka ny rantin-tsarin’ i Nart Paul
Anisan’ny mahakanto ny zavatra iray ny fananany ny mampiavaka azy amin’ireo miaraka aminy. Tena kanto tokoa raha ny zavakanto vokarin’i Nart Paul, arantiny eny amin’ny IKM Antsahavola. Manatanteraka fampirantiana eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, hatramin’ny 24 jolay 2024, i Mahafaly Nary Paul, fantatra amin’ny anarana hoe Nart Paul […]
“Ranavalona III, The Chrysalys Queen”: hamelona indray ny tantara anaty soradihy i Gaby Saranouffi
Vaovao lehibe ho an’ny tontolon’ny soradihy. Handray anjara amin’ilay hetsika “South African Art Festival” i Gaby Saranouffi. Ny tantaran’ny mpanjakavavy Ranavalona III no hozarainy an-tsehatra mandritra izany. Hotontosaina ny 8 hatramin’ny 10 aogositra izao ilay hetsika ara-javakanto “South African Woman Art Festival”, any Durban, Afrika Atsimo. Anisan’ireo voasafidy haneho ny […]






