Notanterahina omaly, ny famindram-pahefana teo amin’ny mpitantana mpisolo toerana ny Antenimierampirenena, ny depiote Rabenirina Jean Jacques, sy ny filoha vaovao, ny depiote Tokely Justin. Natao tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izany ary tao anatin’ny firahalahiana tanteraka. “Hampirevy vahoaka sy hiaro ny filoham-pirenena ary hanomana ny fifidianana depiote amin’ny taona 2029 ny […]
Other News
Fikaroham-bahaolana: mitaky fifampidinihana ny MFM
Naneho hevitra manoloana ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny MFM, amin’ny alalan’ny filoha mpiara-mitantana, Randrianirina Jean Ignace (Ramasy). Anisan’ny tolo-keviny ny hanomezana tombon-dahiny ny eny ifotony ka anisan’ny dingana ahatongavana amin’izany ny fandraisana andraikitry ny filohan’ny Repoblika. “Manana fahefana ny filoham-pirenena amin’ny ahafahany mikitika ny And 162 amin’ny […]
Miandry am-pitoniana
Anatin’ny fandraisana ny antotan-taratasy mombamomba izay kandidà ho minisitra ny tomponandraikitra, ankehitriny. Mbola tsy voafaritra mazava ny daty hivoahan’ny anaran’ireo ho mpikambana vaovao anatin’ny governemanta. Maka fotoana rahateo ny filohan’ny Repoblika, araka ny nambarany. Tsy misy ny mahamaika sy hirotorotoana fa efa vita aloha ny dingana goavana anankiroa: Praiminisitra […]
Depiote Randrianasolo Jean Nicolas: “Tokony hanova fomba fiasa ny praiminisitra”
Tsy manana olana amin’ny nanendrena indray ny praiminisitra Ntsay Christian ny depiote voafidy tany Betroka. Na izany aza, nitondra tolokevitra ny tenany amin’izao hitantanany ny governemanta izao. “Aleo tsy manova azy, fa sarotra ny manavao. Ny tokony hataony fotsiny: tokony hanova politika kely izy: hanara-maso any ifotony, ary tokony hihaino […]
TSELATRA
Vehivavy iray hita faty natsingevan’ny rano teny Ikopa, afakomaly. Niboridana tanteraka izy, araka ny hita teny an-toerana. Nahitana ratra teo amin’ny lohany. Ahina ho novonoina izy io ka natsipy teny Ampamantanana ary nentin’ny rano. Mipetraka eny Ankazolava izy, raha ny fantatra. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao fanadihadiana. Hapetraka ao amin’ny […]






