Efa ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina indray izao ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny mpampakateny, i Soava Andriamarotafika, fa miasa tsy an-kiato izy ireo na vita aza ny fifidianana depiote farany teo iny. Hivory ho fanomanana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina izy ireo amin’ity herinandro […]
Other News
Manova famindra
Samy miomana amin’ny fanovana governemanta indray aloha izany ny rehetra manomboka izao. Vita iny ny fifidianana solombavambahoaka. Nilamina ny zava-drehetra na maro aza ny mpamendrofendro sy ny mpanatsatso, indrindra ny mpandrangitra. Nahoraka rahateo ny hala-bato sy ny hosoka, avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Mazava anefa ny an’ny vahoaka, […]
Praiminisitra Ntsay Christian : “Hiroso amin’ny fametraham-pialana ny governemanta”
Nitondra fanazavana ny amin’ny toeran’ny governemanta, manoloana izao ho fijoroan’ny Antenimierampirenena vaovao izao ny Praiminisitra Ntsay Christian. “Rehefa misy ny fifidianana solombavambahoaka toy izao, ny fenitra demokratika dia mametraka mazava tsara fa tsy maintsy miroso amin’ny fametraham-pialana ny governemanta”. Io no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny mpanao gazety, teny Tsimbazaza, […]
TSELATRA
Efa-mianaka niara-nampidirina hopitaly vokatry ny fihinanana « composé », tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Fotoana vitsy taorian’ny fihinany io sakafo io, samy nitaraina ho narary kibo izy efatra. Nanaraka fitsaboana ka tsy nisy nahiana ny ain’izy ireo. Tontosa omaly hariva, ny fanamafisana ny tagnamaron’ny fandriampahalemana teo amin’ny zandarimaria sy ny fokonolona […]
Olona 12 naratra: karandalana iray latsaka tao ambany tetezana
Nitrangana lozam-piarakodia nandratrana olona indray teny amin’ny lalam-pirenena faha-13, omaly. Fiarabe karandalana, Tata, mampitohy an’Antananarivo sy Taolagnaro ity tra-doza tampoka ity. Niainga avy aty an-dRenivohitra hihazo an’i Taolagnaro ity karandalana ity no nivadika tampoka teny an-dalana. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Betroka, teo amin’ny tetezana […]






