Hiara-hiasa ny APMF sy ny polisim-pirenena amin’ny fanotana « Pièce d’identité de Marin » (PIM) ho an’ireo tantsambo malagasy. Mahatratra 11 000 ireo tantsambo teratany malagasy ary miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa ny 5 000 amin’ireo. Hanamafy ny fitokisan’ireo mpampiasa, ny mpampitao sy ny tompon-tsambo, ny fitokisan’ireo firenena hafa ny tantsambo malagasy mandalo […]
Other News
Paositra malagasy: nisitraka fampitaovana ireo fakitera
An-tapitrisa isan-taona ny taratasy zarain’ny Paositra malagasy (Paoma) raha ana hetsiny kosa ireo entana tanteriny manerana ny Nosy. Nisy, araka izany, ny fampitaovana, toy ny moto, kitapo (sac porte-document et sac à dos) an’ireo faktera maherin’ny 200 eo anivon’ny Paoma tetsy Alarobia, ny zoma teo, hanatsarana ny fomba fiasa sy […]
Fitsinjovana ny mpanjifa : azo aloa tsikelikely ny entana
Lafo ny vidim-piainana, ankehitriny. Izany no nahatonga ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Accès banque sy ny tranombarotra Taïwan motor, hitsinjovana ny mpanjifa. Azo aloa tsikelikely ao anatin’ny 24 volana ny vidin’ny moto. Tolotra manan-kery nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana jolay teo. Nambaran’ny tomponanandraikitry ny Taïwan motor, Tsifaniaina Henintsoa, fa afaka misitraka […]
Karazan-javamananaina : fototry ny fampandrosoana lovainjafy
Antoka ho an’ny fampandrosoana maharitra ny toekarena ny fiarovana ny karazan-javamananaina. Anisan’ireo firenena nanao sonia hampihatra ireo drafitra napetraka nandritra ny “Conférence des parties de la Convention sur la diversité biologique” (Cop15 de la CDB), i Madagasikara. Drafitra hiarovana sy hamerenana amin’ny laoniny ny karazan-javamanaina ho an’ny telopolo taona manaraka. […]
« Tournoi Sandratra 2 »: Nanjaka ny foibem-pibeazana Betania
Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny kianja St Michel Itaosy, ny famaranana ny tetikasa «Tournoi Sandratra 2», taranja baolina kitra ho an’ireo foibe mitaiza ireo zaza tsy misy mpiahy. Nanao pao-telo ny Betania, nibata amboara telo teo amin’ny poussin, minime, benjamin. Tsiahivina fa efa nanomboka ny volana avrily ny fifanintsanana […]






