Nosamborin’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny CSP3 Antaninandro ny lehilahy mpamaky fiara sarona teo Ampasampito, afakomaly. Fiara an’olon-tsotra nipetraka teo amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara nanaovan’io lehilahy io ny asa ratsiny. Tsy nisy olona tao anatin’ny fiara ka nosokafan’ilay jiolahy an-keriny. Nalainy avokoa ny entana noheveriny ho sarobidy tao anatin’io fiara io. […]
Other News
Nihinana paty : Mpianatra 13 tratry ny fahapoizinan-tsakafo
Mpianatra miisa 13 mianadahy niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo taorian’ny fihinanana «salade de patte» tao amin’ny toeram-pivarotana hani-masaka iray tao Ambohimandamina. Kaominina Mahajanga, ny 2 mey lasa teo. Voatery nentin’ny namany nihazo ny hopitaly ireo tena voa mafy tamin’io tranga io. Efa manaraka fitsaboana eo anivon’ny CHU Mahavoky Atsimo izy ireo. Araka […]
Taorian’ny fifamalian’ny mpivady : Lehilahy maty nianjera avy eny amin’ny rihana fahefatra
Lehilahy iray, 37 taona, maty nianjera avy eny amin’ny rihana fahefatra, tetsy Ankasina, omaly maraina. Nisy mangana ny tendany. Tsy fantatra mazava ny antony. Malaza ho mifamaly lava izy mivady. Atao famotorana eny amin’ny polisy ilay ramatoa. Vaky tanteraka ny lohan’ilay rangahy, noho ny hamafin’ny fianjerana. Nandrika ny ra tetsy […]
Fandaharanasan’ny Fanavaozana: Hanara-maso ny fikaonandoha ny Sadc
Manaraka akaiky. Nambaran’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, fa anisan’ny hanamarika ity herinandro ity ny fahatongavan’ny iraky ny Sadc. « Hijery ny fandrosoan’ny asa araka ny voafaritra ao amin’ny fandaharanasan’ny Fanavaozana izy ireo. Horesahina mandritra ny fihaonana koa ny momba ny tetibola hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena », hoy izy, tetsy […]
Disciples FC sy Fosa Juniors: Hifandona eo amin’ny ampahefa-dalana
Raha tsy misy ny fiovana, ny Disciples FC Vakinankaratra, laharana voalohany, ao amin’ny Kaonferansy Atsimo, hifanandrina amin’ny Fosa Juniors FC Boeny, fahefatra ao Avaratra, eo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (PFL). Ampahatsiahivina ihany fa hatao ny 17 mey ho avy izao ny fihaonana mandroso, ka […]






