Hotanterahina, anio, ao amin’ny Kianjan’ny Emir Complex, Antalya Sport Torkia, ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy i Guinée Equatoriale. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa », ary ho fantatra aorian’izany ny filaharan’ny Barea. Nahazo isa telo indray ny AS Ste Anne, afakomaly, tetsy Iavoloha, raha nifandona tamin’ny ekipan’ny Uscafoot. Lavon’izy […]
Other News
Handball : Mpanazatra 23 nahavita fiofanana
Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana hahazoana ny «licence D», ho an’ireo mpanazatra 23 mianadahy mianaka amin’ny taranja handball. Fiofanana nampanaovin’ny manampahaizana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (IHF), notarihin’i Khaled. Ankoatra ireo Malagasy, mpikambana ao anatin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), nisy avy atsy Mayottes sy […]
Muay Thai : Mpanazatra 12 nizarana traikefa teny Ankorondrano
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Ankorondrano, ny fiofanana teo amin’ny taranja Muay Thai, nomen’ny Maître Razanajatovo Gildas. Mpitarika sy mpanazatra 12 niatrika izany. Nanatanteraka fampiofanana teknisianina ny topmponandraikitra ao amin’ny federasionina miandraikitra ny Muay Thai. Hetsika nokarakaraina teny Ankorondrano, nandritra ny faran’ny herinandro. Tompon’antoka tamin’izany ny Me Razanajatovo Gildas […]
TARATRY ny KANTO
Hotontosaina ny 17 sy 18 avrily izao ny « Tsapiky Festival ». Any Toliara ihany no hanaovana ity hetsika hanandratana ny tsapiky, amin’ny maha harembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanakolombelona azy ity. Efa saika natao tamin’ny volana ambony izany, saingy nahemotra noho ny antony maro, indrindra ny fahavoazana tany […]
Folo taona aty aoriana: Hanao ny « Fitsiahy an’i Di… » ny Havàtsa-Upem
Alarobia 13 avrily 2016 – Alarobia 15 avrily 2026. Faha-10 taona namoizana an’i Henri Rahaingoson na i «Di…». Hanatanteraka hetsika mifandraika amin’io vanim-potoana lehibe io ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Alarobia 15 avrily, amin’ny 2 ora folakandro, ao amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy eny Tsimbazaza, «Fitsiahy an’i Di…». […]






