Other News

Rajery tany Toamasina : Nanao fitaizana ara-tsaina ho an’ny mpianatra

Nitondra ny anjara birikiny ho an’ny mpianatra traboina tao Toamasina Rajery sy ny namany. Tamin’ny alalan’ny « Musicothérapie », nentina manampy amin’ny fitaizana ara-tsaina no nanatanterahany izany. Mafy loatra ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani any Toamasi­na. Anisan’ny nizaka izany ny mpianatra. Nisy fiantraikany ratsy tamin’izy ireo ny faharavana hatrany amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatao eto Antananarivo, ny 2 sy 3 avrily ho avy izao, ny Fihaonambe momba ny otrikarena voajanahary, « Forum capital naturel », andiany fahatelo. Tanjona ny hampidirana ny otrikarena voajanahary amin’ny fanapahan-kevitra ara-toekarena sy ara-bola eto Madagasikara. Mikarakara azy ny tambajotra Nat Cap, eo ambany fiahian’ny minisitera Medd, tohanan’ny AFD, ny GEF […]

Orange Madagascar : Hamboly zana-kazo 40 000 manerana ny Nosy

Manamafy ny fiarovana ny tontolo iainana ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagascar. Tanjona ny hamboly zana-kazo 40 000 amina faritra miisa 13, manerana ny Nosy. Natomboka ny zoma teo, tany amin’ny kaominina Ma­sin­dray, ny hetsika ka nahafahana namboly zana-kazo 4 000 niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna ao an-toerana, ny mpianatra sy ny mpampianatra […]

Tondradrano : 53 tapitrisa euros ny tetikasa PIAA2

Miditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa « Programme intégré d’assainissement d’Antananarivo- Phase II » na ny PIAA2. Hiompana amin’ny fametrahana fotodrafitrasa hisorohana sy hampihenana ny tondradrano izany. Hanampy amin’ny fanavaozana ny tambajotran-drano maloto sy ranon’orana ihany koa. Ankoatra izay, hanatsara ny fari-piainan’ny mponina, indrindra eny amin’ny faritra iva. Mitotaly 53 tapitrisa euros […]

FEC -FRD: Fitsirihana ataon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena

Manan-danja amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ny famatsiambola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena. Tombanana, ankehitriny, ny zava-bitan’ny fanjakana malagasy sady dinihina ihany koa ny hoavy. Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), tarihin’i Constant Lonkeng Ngouana. Mandritra ny roa herinandro ny dian’izy ireo, tafiditra ao anatin’ny fitsirihana faha-3 sy faha-4 ny fandaharanasa […]