Other News

Depiote Masy Célestin : “Tsy fikatsahana tombontsoa ny fitondrana”

Nitondra ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ny depiote voafidy tany Benenitra, Masy Célestin, oma­ly. Nambarany fa tsy natao hikatsahana tombontsoa manokana na tombontsoan’antoko ny andraikitra iantsorohan’ny mpitondra. No­hamafisiny fa tokony hifantoka tanteraka amin’ny tombontsoam-bahoaka izy ireo. “Ma­nantena vokatra azo tsapain-tanana ny Malagasy. Tsy fotoan’ny andranandrana izao, fa fotoanan’ny asa hahazoana […]

Lalao an-kamely !

  Mbola tsy ny ampahefan-dalana no vita, efa mifamingampigana sy mifanindrom-paingotra ny mpiara-milalao. Mazava ny zotra, samy te ho lohany rahatrizay vita ny lalao famaranana. Ny kapitenin’ny ekipa, efa manomboka mahaihay vava. Manomboka tsy mihaino tolo-kevitra. Hita fa manome tombon-dahiny manokana mpilalao vitsivitsy. Ny ekipa teknika, natao hampitovy tadin-dokanga, iaraha-mahita […]

Fikambanana OEACP : Niantso hanafoanana ny sazin’i Madagasikara

Kisendrasendra? Na fifanandrifian-javatra… “OEACP nohavaozina sy novaina ao anatin’ny fiovan’izao tontolo izao”. Io no lohahevitry ny fihaonana faha-11 nataon’ny fikambanan’ny fanjakana afrikanina sy karaiba ary pasifika (OEACP), tany Malabo, Guinée Equatoriale. Notanterahina ny 27 ha­tramin’ny 29 marsa lasa teo izany. Nandray anjara tamin’izany i Madaga­sikara. Nisolo tena ny Mala­gasy tany […]