Other News

Lavanila: nahazo tohana avy amin’ny Cnuced

Tratra ny tanjona ho an’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (Mic) tamin’ny adisisika natao nandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced), tany Suisse. Nahazo tohana avy amin’ny sekretera jeneralin’ny Cnuced, Rebeca Grynspan, ny minisitera hananganana […]

Fitaterana ana habakabaka : hatsaraina ny seranam-piaramanidin’Ivato

Antoka handrindrana ny asa rehetra atao eny amin’ny seranam-piaramanidina sy hiadiana amin’ny fanondranana antsokosoko ary hiarovana ny kolikoly eny an-toerana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Maro ireo teboka hojerena hanatsarana ny fotodrafitrasa. Tonga teny amin’ny seranam-piaramadin’Ivato, ny alarobia teo, ireo mpisehatra rehetra amin’ny « Ges­tion coordonnée des frontières » nijery ny […]

Fiangonana Anglikanina : hiavaka ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Mpanentana

Tanterahina eny amin’ny Esca Antanimena, ny 21 jona 2024, ny «Messe Fiderana», hankalazana ny faha-20 taonan’ny Sampana Mpanentana, eo anivon’ny fiangonana Anglikanina Ava­ra­tranjoma. Hiavaka ity hetsika ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara satria ity « Messe Fiderana » ity no lamesa malagasy faharoa, nosoratana amin’ny gadona malagasy. Tanjona ny hananana gadona tena malagasy, […]

N1A faritra afovoany: hahazo 4 tapitrisa Ar ny tompondaka

Hotanterahina anio, ao amin’ny kianja mitafo Vato­fotsy Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, N1A faritra afovoany, taranja basikety, sokajy lahy sy vavy. Hotolorana lelavola 4 500 000 Ariary izay tompondaka amin’izany. Eo amin’ny sokajy vehivavy, miisa dimy izy ireo no hifanintsana, anisan’izany ny MB2All Anala­manga, JEA Vakinankaratra, Ankaratra Vakinankaratra, Se­rasera Vakinankaratra, […]

«Telma coupe de Madagascar »: hanala vela amin’ny Ajesaia ny Elgeco Plus

Ho fantatra rahampitso, ny ekipa fahefatra hiatrika ny manasa-dalana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma coupe de Mada”, taranja baolina kitra. Hiady izany toerana izany ny Ajesaia sy ny Elgeco Plus. Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny lalao ampahefa-dalana farany, ho an’ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Hifanandrina […]