Nanolana sady nandrahona ho faty! Ankizivavy 16 taona no naolan’ilay lehilahy nahavanon-doza ka nampidirana azy eny Tsiafahy, afakomaly. Nanamparan’io tsy valahara io ny filan-dratsiny ilay zaza tsy ampy taona. Raiki-tahotra noho ny fampitahorana nataon’ilay nahavanon-doza anefa io tovovavy io ka nitondra irery ny zanany tao an-kibo nandritra ny 9 volana. […]
Other News
Hiakatra fitsarana: vazaha frantsay tsy nandoa hofan-trano
Raha tsy misy ny fiovana, hiakatra fitsarana ny talata ho avy izao ny raharaha hanenjehina ny vazaha teratany frantsay iray voarohirohy ho tsy nandoa hofan-trano tao amin’ny trano nipetrahany eny Isoraka. Araka ny fanazavan’ny tompon-trano, efa nipetraka ela tao amin’ny tranony io vazaha io saingy nanomboka ny desambra 2023 hatramin’izao […]
Avy nandray fisotroan-dronono: raim-pianakaviana sy ny mpiasany nisy namono tao an-tranony
Raim-pianakaviana iray no maty voafira antsy tamin’ny tendany, omaly, tao Toamasina. Novonoina niaraka taminy ihany koa ny mpanampiny. Hita faty novonoina tamin’ ny fomba feno habibiana tao an-tranony, ao Camp Docker P/lle 31-11 Tanambao II, Toamasina, omaly, ny raim-pianakaviana iray 84 taona sy ny mpanampiny vavy iray. Voakapa ny antsy […]






