Mitentina 110 tapitrisa dolara ny vola vatsian’ny Banky iraisam-pirenena hanavaozana ny fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara. Voakasik’ izany ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ny fanavaozana ireo seranam-piaramanidina tantanin’ny Adema. Eo koa ny famatsiam-bola hanohanana an’i Madagascar Airlines sy ny vina hametrahana ny lalam-by vaovao mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo. Hitarika sy hanao […]
Other News
“Global Digital Summit 2025”: Hafainganina ny fisitrahana herinaratra
Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena sy ny angovo ny sehatry ny niomerika. Manatsara ny fitantanana, ny fampandrosoana ny tambajotran-jiro ary mampiroborobo ny tontolon’ny fanabeazana ary ireo fiofanana samihafa izy io. Navoitran’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Stéphanie Delmotte, ny momba ny Nexus Energie […]
“Fojaeb” : Hifampizara traikefa ny tanora afrikanina
∑P11Tanora manodidina ny 500, avy amin’ny firenana 54 aty Afrika no handray anjara amin’ny Fihaonamben’ny tanora mahakasika ny toekarena manga (Fojaeb) andiany faharoa, ao Toliara. Hifampizara traikefa mandritra ny telo andro ao an-toerana ireo tanora afrikanina sy ireo manam-pahaizana maro ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-tokony. Toerana ahitana ranomasina, renirano, seranan-tsambo, fanjonoana […]
« Africa Energy Transition Program »: Harafitra ny tondrozotra hampihenana ny karbona
Anisan’ireo firenena telo fitaratra aty Afrika ho an’ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo havaozina i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izay ny tetikasa « Africa Energy Transition Program (Afretap) » tarihin’ny Vondrona afrikanina sy tohanan’ny Vaomieran’ny angovo afrikanina (Afrec). Miroso tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina i Madagasikara hiarovana ny tontolo iainana. Ankehitriny, […]
« World Games » – Tsipy kanetibe : Mirana sy i Yves no solontena malagasy
Hiatrika ny “Test event”, amin’ny “World Games” na “Jeux mondiaux” hatao any Chine eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, Razafinakanga Mirana sy Rakotoarisoa Yves Sedrick. Omaly no nanainga izy mianadahy ireo. Masontsivana nifantenana azy ireo ny vokatra azony nandritra ny Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) natao teto Madagasikara. Raha tsiahivina, samy nahazo ny […]