Voasambotry ny polisim-pirenena ny sabotsy teo ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Rambola. Nampiakarina fampanoavana afakomaly izy ary naiditra vonjimaika am-ponja. Jiolahy fantatra sy malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana izy io. Efa ela nokarohin’ny mpitandro filaminana fa izay vao tratra sy azo sambo-belona. Marihina fa nanafika Cash point iray tany Ambositra izy, […]
Other News
Andrianainarivelo Hajo : “Maika ny hampiasana ny volam-panjakana”
Naneho ny hagagany tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra farany teo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Tsy nitsitsy fitenenana izy tamin’izany. Nohitsiny fa tsy mba nasiana resaka mihitsy ny momba ireo havana sy ireo Malagasy any atsimon’ny Nosy, traboina ary anatin’ny fahasahiranana lalina taorian’ny nandalovan’ny rivodoza indroa […]
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina nanomboka ny 24 marsa lasa teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana baolina kitra anaty efitrano, ho an’ireo Oniversite eto an-drenivohitra, na ny « Take Off ». Mahatratra 40 eo ireo mpandray anjara tamin’izany. Tsiahivina fa karakarain’ny Madagascar Futsal Association (MFA) ity hetsika ity. Hotontosaina manomboka ny 22 avrily ho […]
TARATRY ny KANTO
Tonga omaly i Oboy. Izy no vahiny andrasana manokana mandritra ilay «Match de gala» etsy Mahamadina, anio tolakandro. Amin’ny fotoam-pialantsasatra no hiakatra ny kianja ity frantsay mpanakanto mpanao rap fa teratany malagasy ity. Fanamarihana ny 29 marsa : misy fampirantiana mitety sekoly. Teny amin’ny Lycée Belanitra Ilafy sy Andriamborona Ambohimanga […]
« Don’t miss the chance »: Seho lehibe miaraka amin’ny CMA
«Hararaoty ny andro azo hanaovan-tsoa» (Efe 5:16a) na «Don’t miss the chance». Io ny lohatenin’ilay fampisehoana lehibe hotanterahin’ny Chorale Maintimolaly Ambohitantely (CMA), ny zoma 28 marsa izao manomboka amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka. Haharitra adiny roa ny fampisehoana. Nasaina manokana ireo mpanakanto manana ny maha izay […]