Other News

Laharam-pahamehana!

  Mifantoka amin’ny tontolon’ny fifidianana hatrany ny vaovao politika eto amin’ny firenena. Takona tanteraka ny hetsika samihafa izay ataon’ny mpisehatra rehetra. Manomboka hatrany ifotony hatraty amin’ny fitantanan-draharaha an-tampony. Voahodina any avokoa ny sain’ny mpanara-baovao. Hadinodino fa anaty olana sosialy goavana anie Ramalagasy. Tsy tokony hodiana tsy hita ny fahoriana mianjady […]

Manoloana ny voka-pifidianana: nanangana KMSB ny vovonana Firaisankina

Samy manao izay ho afany na ny mpanohitra na ny mpanohana fitondrana iarovana ny vato azo tamin’ny fifidianana. Nametraka ny Komity miaro ny safidim-bahoaka (KMSB) ry zareo ao amin’ny vovonana Firaisankina. Nivory ary nanangana ny Komity miaro ny safidim-bahoaka (KMSB) ireo kandidà depiote natolotry ny vovonana Firaisankina, teny Ambohimanambola, oma­ly. […]

TSELATRA

Renim-pianakaviana iray naratra nodarohan’ny adala teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. Tsy nanampo na inona na inona ilay niharam-boina tamin’io fotoana io. Avy niantsena izy ka teny an-dalana hody no nifanehatra tamin’ity adala ity. Naratra mafy izy ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana. Lasa nitsoaka ilay adala. Omby miisa 80 indray lasan’ny […]

Raharaha nahafaty an’i Fidelis Voriolo : migadra mandra-pahafatiny i Berthino

Nomelohin’ny fitsarana hamita sazy mandra-pahafa­tiny i Berthino, raha voasazy 10 taona an-tranomaizina kosa ny namany iray antsoina hoe i Lahadraza. Io ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara nandritra ny fitsarana raha­raha ady heloka bevava tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, omaly. Samy niakatra fitsarana avokoa ireo roa lahy voampanga tamin’ity […]

Antsirabe : tanan’olona hita notarihin’ny alika

Tanan’olona efa simba, hitan’ny fokonolona notaritarihin’ny alika tao Antsahakely, kaominina Antsirabe I, omaly. Mpan­dalo no nahatsikaritra io tanan’olona io teny am-bavan’ny alika. Taitra ny manodidina. Nidina nanao ny fisavana ny toerana manodidina ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana. Tsy nahitana fatin’olona anefa teo amin’ny fokontany nisy ilay tanan’olona. Tsy nahare […]