Other News

Lehilahy migadra eny Tsiafahy: roa lahy maty voatsindron’antsy

Maty noleran’ny namany antsy ny lehilahy roa, avy nandray karama. Nikasa hitsoaka any Ambohimahasoa ilay nahavanon-doza ka voasambotra tanaty taksibrosy. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy. Niara-maty noleran’ny lehilahy iray mpiara-miasa aminy sady na­many antsy ireo roa lahy teny Ambohipiraisana, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina Ambohimangakely, dis­trika Antananarivo Avaradrano, ny 25 mey lasa […]