Other News

VAOVAO TAMBATRA

Nanolotra ny fikarohana nataony tany Japon Rtoa Andriantsitohara Attiana Fara, talen’ny Fikaro­hana sy ny fenitra ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny 29 mey teo. Manohy ny fianarana hahazoana ny mari-pahaizana « Doctorat » any amin’ny oniversite Naga­saki izy, mandritra ny telo taona, nanomboka ny taona 2024. Hampitomboina ny isan’ny fiaramanidina ampiasain’ny Madagascar […]

Zavamananaina an-dranomasina : hampitomboina avo telo heny ny AMP arovana

Mandray anjara hampitomboana avo telo heny ny fari-dranomasina arovana eto amintsika ny tetikasa GEF-AMP. Tanjona ny hiarovana ny karazan-javamananaina samihafa ao aminy. Araka ny tatitra avy amin’ ny tetikasa GEF6-AMP*, tandindomin-doza ny karazan-javamananaina an-dranomasina sy amorontsi­raka eto Madagasikara. Misy amin’izy ireny ny ahina ho lany tamingana. Mahatonga izany ny fitrandrahana […]

Trail – Trophée de l’Ocean Indien : azon’i Mamy ny medaly volamena

Nihofahofa tatsy La Réunion indray ny sainam-pirenena malagasy ny sabotsy lasa teo. Lasan’Andrianirina Hobilalaina Rivosoa, fantatry ny rehetra amin’ny solonanarana hoe : Mamy, ny medaly volamena teo amin’ny fifaninanana hazakazaka anaty natiora na ny Trail – Trophée de l’Ocean Indien, andiany voalohany. Fihaonana, nokarakarain’ny Association Cultu­relle et Sportive de l’Ocean Indien. […]

Barea de Madagascar : mpilalao 24 no any Afrika Atsimo

Afaka roa andro sisa, hiaka-tsehatra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etazonia sy Meksika. Ny ekipa nasionalin’i Comores no hihaona amin’ny Barea de Madagascar, lalaon’ny andro fahatelo ho an’ny vondrona “I”, hatao ny 7 jona, ao Johannesburg. Araka ny vaovao voaray, omaly, […]

Tsipy kanetibe : tompondakan’Analamanga ny ABMI sy Besady Plus

Mbola noporofoin’i Havana sy i Baloti (ABMI) indray ny maha andrarezina azy ireo, eo amin’ny tsipy kanetibe. Norombahin-dry zalahy ny ho tompondakan’ny ligin’Analamnaga. Ny Besady Plus kosa no teo amin’ny vehivavy Notanterahina ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Para Ivato, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Anala­manga, […]