Other News

Fanavaozana ny fanabeazana : mifanakalo traikefa ny mpiantsehatra

Miara-mikaondoha mandritra ny roa andro eto Antananarivo ireo mpiantsehatra sy mpikaroka rehetra amin’ny tontolon’ny fampianarana. Tanjona ny hahafahana manatsara ny fanabeazana eto Madagasikara Hifarana anio ny fihaonana amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanavaozana ny fanabeazana eto Madagasikara. Tantera­hina etsy amin’ny Panorama Andrainarivo, omaly sy anio izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa […]

Fifidianana depiote: maromaro ireo am-perinasa tsy lany intsony

Maromaro ireo depiote am-perinasa tsy voafidy intsony na mbola niverina nirotsaka hofidina aza, raha miainga amin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni. Anisan’izany ireo kandidà natolotry ny vovonana Irmar. Resy tany Antanimora Atsimo ny kestora voalohan’ny Ante­nimiera, Jean Michel Henri, Rakotondravoavy Andry na Zoky Andry etsy Arivonima­mo. Ny any Benenitra amin’ny alalan-dRandrianandraina […]

Mpiasam-panjakana: misy ny atrikasa hatsaraina ireo toeram-panofanana

Tanterahina ao amin’ny Hotel de Thermes Antsirabe, mandritra ny 5 andro, nanomboka ny 10 jona 2024, ny atrikasa fanomanana sy fampivoarana ny fitaovam-piofanana ho an’ny toeram-panofanana ho mpiasam-panjakana eto Madagasikara. Mifampizara traikefa ao anatin’izany ny avy eo aanvon’ny minisiteran’ny Vola sy ny fitantanam-bola, ny minisiteran’ny Asam-panjakana, ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony […]

Hala-bato tamin’ny fifidianana : mitaky porofo mazava ny eo anivon’ny HCC

Mitodika eny amin’ireo mpitsara avo eny Ambohidahy ny mason’ny mpanara-baovao, manomboka izao. Efa an-jatony ireo fitoriana voarain’izy ireo saingy tsy maintsy misy ny fepetra arahin’ireo mpitory tamin’ny fifidianana depiote farany teo. Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ny HCC fa anjaran’ny mpitory ny mitondra porofo amin’ny tsy fanarahan-dalàna niseho tamin’ny fifidianana, ahafahan’ireo mpitsara […]

Distrikan’Ambatofinandrahana : nitory ny kandidà Razanamahasoa

“Fomba roa no entinay ma­nao fitoriana manoloana ny fifidianana tahaka izao”, hoy ny avy amin’ny mpanohana ny kan­­didà depiote Razanamaha­soa Christine ao amin’ny dis­trikan’Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania, Ratolo­ja­nahary Maharavo, tamin’ny mpanao gazety, afakomaly, ny amin’ny fahitan-dry zareo fandikan-dalàna tamin’ny fifidianana depiote teo. Voalohany amin’izay fitoriana izay ny momba ny fizotran’ny […]