Other News

Mahajanga : vary simba 518 gony nodorana

Nodorana ny zoma teo avokoa ireo gonim-bary simba miisa 518, tao Mahajanga, rehefa voamarina tamin’ny fitiliana natao fa tsy azo hohanina intsony. Notanterahina teo an-tokotanin’ilay orinasa mpanafatra entana, tompon’ny vary, ihany ny fandevonana ny vokatra. Nitarika izany ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, ny sefo […]

Fisitrahana herinaratra: hifantohana ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina

Tafiditra ao anatin’ny tetikasam-panjakana ny fampiroboroboana ny herinaratra, indrindra ny fampiasana ny angovo azo havaozina azo avy amin’ny rano. Misy ny dinika faharoa momba ny tetikasa hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro eto Madagasikara. Tanterahina mandritra ny 12 andro, eny Ampan­dria­nomby, ny dinika faharoa momba ny fampiroboroboana ny angovo azo ha­vaozina, izany […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 15 hatramin’ny 23 jona ho avy izao, any Antsirabe, ny fifaninanana nasionaly N1A, faritra afovoany, taranja basikety, sokajy lahy sy vavy. Tsiahivina fa tany Atsinanana no natao ny N1A faritra Atsinanana, izay nanjakan’ny klioba avy aty Analamanga. ny GNBC no voalohany ho an’ny vehivavy, raha toa ka ny […]

Baolina kitra, sokajy vehivavy : tompondakan’Itasy ny Askam Afa

Fantatra avokoa ireo ekipa hisolo tena ny ligin’Itasy, fifaninanana nasionaly. Eo amin’ny sokajy vehivavy, ny Askam Afa no hiaro ny voninahitry ny faritra. Ny Ojay Imerintsiatosika kosa ny an’ny lehilahy. Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Itasy, amin’ny taranja baolina kitra, vehivavy, ny ekipan’ny Askam Afa, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianjan’ Ambo­­niatsimo. […]

Paule Sophie : nivoaka ny boky « Nos âmes éternelles »

Ny namoizany ny rainy nindaosin’ny fahafatesana… Niteraka ratram-po lehibe sy fahabangan-toerana goavana teo amin’ny fiainany no nampikorisa ny penin’i Paule Sophie ka niafara tamin’ny famoahany ny boky.Nivoaka ny boky «Nos âmes éternelles». Asongadin’i Paules Sophie ao ana­tiny ny fiasan’ny herin’Andriamanitra manoloana ny olana amin’ny endrika sakana heverin’ny olombelona fa goavana […]