Other News

Hainahandro: Hivelatra kokoa ny « LaTabatra » andiany fahatelo

Havory amina toerana iray ny mpisehatra rehetra amin’ny hainahandro sy ny tontolony. Hiray talabatra, izay no tanjon’ny hetsika “LaTabatra”, hatao eny amin’ny CCI Ivato. Hetsika miompana ma­nontolo amin’ny tontolon’ny hainahandro. Ho­tontosaina ny 18 sy 19 avrily ho avy izao ny andiany fahatelo amin’ny « LaTabatra ». Nisy ny fampahafantarana, izay no­tontosaina omaly, […]

Basikety-Tanà Ville: Maro ny famaranana amin’ny faran’ny herinandro

Efa manomboka miroso any amin’ny dingana famaranana ny fifaninanana eo anivon’ny seksionin’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Raha ny fandaharam-potoana amin’ny faran’ity herinandro ity, hisy lalao famaranana maro hitranga. Eo amin’ny sokajy N1B, hifanandrina eo amin’ny sokajy lehilahy, ny ekipan’ny JCBA sy ny NBE. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, hifandona ny ekipan’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina eto amintsika, ny 30 marsa ka hatramin’ny 4 avrily, ny « Mission économique Tunisie-Madagascar ». Hetsika hanamafisana ny fifanakalozam-barotra sy traikefa eo amin’ny firenena roa tonta. Hasongadina manokana ny fiaraha-miasa ho an’ny tombontsoa ara-toekarena sy ny fandraharahana. Marihina fa mpiara-miombon’antoka stratejika i Tonizia noho ny fananany fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny […]

Big Challenge : Fampandrosoana ny fizahantany sy fanatanjahantena

Hotanterahina ny 29 marsa, eny Ambohimanga, ny “Big Challenge” andiany fahadimy. Fifaninanana am-bisikileta tsy mataho-dalana (VTT) karakarain’ny Optimus Bike Academy sy ny Bike& Compo­nents. Hetsika tohanan’ny Scott sy CT Motors. «Natao manokana eny Ambohimanga ny hetsika, hampahafantarana ny rehetra ny hakanton’ny toerana sy hampiroboroboana ny fizahantany ary hizarana ireo tombontsoa […]