Hotanterahina ny 29 marsa, eny Ambohimanga, ny “Big Challenge” andiany fahadimy. Fifaninanana am-bisikileta tsy mataho-dalana (VTT) karakarain’ny Optimus Bike Academy sy ny Bike& Components. Hetsika tohanan’ny Scott sy CT Motors. «Natao manokana eny Ambohimanga ny hetsika, hampahafantarana ny rehetra ny hakanton’ny toerana sy hampiroboroboana ny fizahantany ary hizarana ireo tombontsoa azo avy amin’ny fanaovana fanatanjahantena am-biskileta», hoy ny tale jeneralin’ny Optimus Bike Academy, Miadanarivo, omaly, tetsy Andraharo. Hizara sokajy telo ny fifaninanana. Eo ny Cross-Country natao hitetezana vohitra miisa telo eny Ambohimanga, amina halavirana 25 km. Ny Enduro, mizara ho sokajy efatra izay hiakarana vohitra sy hanaovana be midina am-bisikileta. Eo ihany koa ny fitsidihana entina hanairana sy hiantsoana ireo liana amin’ny fanaovana fanatanjahantena am-bisikileta ary koa hitsidihana ireo toerana manan-tantara ao Ambohimanga, raha ny fanazavana. Ny Challenge Trio Run & Bike kosa, fifaninanana hatao amina halavirana 25 km, ho an’ireo ekipa mpandray anjara ka hifandimby hitondra bisikileta sy hanao hazakazaka ireo mpifaninana. Notsindrin’ireo mpikarakara fa tokony hisy vehivavy ny ekipa iray. Hisy ny loka mitentina 300 000Ar ho zaraina amin’ireo ekipa mpandresy isan-tsokajy. Marihina fa hisy ny fifaninanana natokana ho an’ireo ankizy latsaky ny 13 taona sy fanentanana maro samihafa atao eny an-toerana.
Henintsoa




