Tra-tehaka nanao fampidiran-jiro tsy ara-dalàna ny mpiasa miisa 6 ao amin’ny Jirama. Miasa eny amin’ny masoivoho Tanjombato ny efatra amin’izy ireo, ary mpiasa an-tselika, tsy manana fifanarahana arakasa ny roa. Nahatrarana azy ireo ny fitarainana voarain’ny orinasa. Nilaza ny mpanjifa fa nitakian’izy ireo volabe, hampidirana ny jirony, na efa voaloa […]
Other News
Fampiasana ny teknolojia : nandray anjara tamin’ny “Gitex Afrika 2024” isika
Nifarana ny zoma teo ny hetsika “Gitex Africa”, andiany faharoa, izay natao tany Maroc, naharitra telo andro. Nisolo tena ny firenena malagasy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola samihafa ary ny solontenam-panjakana. Voaresaka nandritra ny fihaonambe ny fikarohana ireo fahaiza-manao ara-teknolojia amin’ny sehatry ny fampandrosoana […]
Fihariana : ambany ny taham-pamokarana ronono eto Madagasikara
Manodidina ny 7 litatra isan’olona, isan-taona, ny taham-pisotroan’ny Malagasy ronono raha toa fa tafakatra avo sivy heny izany any ivelany. Mbola ambany ihany koa ny famokarana izany eto amintsika Anisan’ireo firenana 49 mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny ronono i Madagasikara. Nisy ny hetsika nanamarihana izany, ny sabotsy teo, […]
Basikety – Mada N1A vehivavy: resin’ny GNBC Analamanga ny Ascut Toamasina
Nanomboka ny sabotsy teo, tao amin’ny Kianja mitafo Soavita Toamasina ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny basikety N1A, lehilahy sy vehivavy. Raha ny vokatra teo amin’ny andro faharoa, natao omaly, nisongadina ny fandresen’ny GNBC Analamanga ny Ascut Toamasina, ho an’ny vehivavy. Resin’izy ireo tamin’ ny isa, 66 no ho 46 ny tompon-jaridaina. […]
Rugby – «XXL Top 12»: nomontsanin’ny Tam Anosibe ny 3FB
Nitohy omaly, tetsy amin’ ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Nomontsanin’ny Tam Anosibe, tamin’ny isa mazava 34 no ho 18, ny 3FB ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Nanjaka tokana ny Tam ary toy ny nanaovan’izy ireo fanazaran-tena fotsiny aza ireo mpifanandrina […]






